Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,
Hosea 12:12 - Baiboly Katolika Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha. DIEM PROTESTANTA Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha olona mpanao ratsy tokoa ny mponin’i Gilehada ka lasa tsinontsinona, tao Gilgala kosa omby mifanesy no natolotra hatao sorona, ka ny alitarany dia tonga korontam-bato eny am-bavasahan’ny tanimboly. Baiboly Protestanta Malagasy Raha tena heloka Gileada, Dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, Koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha. Malagasy Bible Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha. La Bible en Malgache Raha tena olon-dratsy i Gileada dia ho tonga zava-poana tokoa izy. Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra; koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bava asa any an-tsaha. |
Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,
Omeo ahy ireo vadiko nanompoako anao, mbamin’ireo zanako dia handeha aho; fa fantatrao izay fanompoako nataoko taminao izay.»
Roapolo taona izao no nitoerako tao an-tranonao: ny efatra ambin’ny folo taona, nanompoako anao, hahazoako azy mirahavavy zanakao; ny enin-taona kosa, hahazoako tamin’ny biby fiompinao; ary ny karamako efa navadikao impolo.
Raha ianao no mijangajanga, ry Israely, aoka i Jodà tsy hilatsaka amin’ny heloka! aza mankany Galgalà na miakatra any Betavena ary aza mianiana hoe: Velona Iaveh!
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.