Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»
Hebreo 8:6 - Baiboly Katolika Fa ny Azy kosa dia fandraharahana ambony lavitra kokoa sy miankina amin’ny fampanantenana ambony kokoa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ankehitriny dia fanompoana ambony lavitra noho ny an’ireny ny Azy, dia araka ny nanaovana Azy ho mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra. DIEM PROTESTANTA Fa ankehitriny i Jesoa dia nanankinana fanompoam-pivavahana tsara lavitra noho ny an’ireo mpisorona ireo, satria Izy no mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana tsara lavitra izay miorina amin’ny fampanantenana tsara lavitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa ankehitriny i Jesoa dia nanankinana fanompoam-pivavahana tsara lavitra noho ny an’ireo mpisorona ireo, satria Izy no mpanalalana amin’ny Fanekempihavanana tsara lavitra izay miorina amin’ny fampanantenana tsara lavitra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an’ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra. Malagasy Bible Fa ankehitriny efa mahazo fanompoam-pivavahana tsara noho ny an'ireny Izy, dia araka ny nanaovana Azy ho Mpanalalana amin'ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin'ny teny fikasana tsara lavitra. La Bible en Malgache Fa ankehitriny dia fanompoana ambony lavitra noho ny an’ireny ny Azy, dia araka ny nanaovana Azy ho mpanalalana amin’ny fanekena tsara lavitra, izay natao tamin’ny teny fikasana tsara lavitra. |
Hanontany ny amin’i Siôna Izy, dia hitodika manatrika azy. «Avia ianareo, ka miraiketa amin’i Iaveh isika, amin’ny fanekena mandrakizay, tsy hohadinoina na oviana na oviana.»
Dia nataony toy izany koa ny kalisy rehefa avy nihinana, ka hoy izy: «Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako, izay alatsaka ho anareo.»
dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;
fa tamin’ny andro tany aloha ianareo, dia tsy nanana an’i Kristy, voasaraka tamin’ny fikambanan’i Israely; olon-ko azy tamin’ny fanekem-pampanantenana, tsy nanana fanantenana, ary tsy nanana an’Andriamanitra teo amin’izao tontolo izao.
Fa iray monja Andriamanitra, ary iray ihany no Mpanalalana amin’Andriamanitra sy ny olombelona, dia i Kristy Jesoa tonga olombelona,
noho ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga, talohan’ny taona rehetra,
sy i Jesoa mpanalalana amin’ny fanekena vaovao, ary ny Ran’ny famafazana izay miteny tsaratsara kokoa noho ny an’i Abela.
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo, rehefa afaka tamin’ny fahalòvan’ny filàn-dratsin’izao tontolo izao.