Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hebreo 4:8 - Baiboly Katolika

Fa raha tahiny efa nomen’i Jôsoe izany fialan-tsasatra izany, dia tsy ho nilaza andro hafa intsony i Davida tatỳ aorian’izany;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa raha i Josoa no nanome azy fitsaharana dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorianan’izany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Raha tàhiny efa vitan’i Josoa ny fanomezana fitsaharana ny vahoaka, dia tsy ho nilaza andro hafa indray Andriamanitra tatỳ aoriana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian’izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa raha i Josoa no nanome azy fitsaharana dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorianan’izany.

Jereo ny toko



Hebreo 4:8
13 Rohy Ifampitohizana  

i Nona zanany, i Jôsoe zanany.


Nomeny azy ireo ny tanin’ny firenena, ary nahazo nizaka ny vokatry ny asan’ny firenena izy ireo.


Noroahiny teo anatrehan’izy ireo ny firenena, dia nozarainy ho azy ireo tamin’ny filokana ny zara lovany, ary nampitoeriny tao an-dainy ny fokon’i Israely.


Io tranolay io, tamin’ny andron’i Jôsoe, dia noraisin’ny razantsika ka nentiny niditra tany amin’ny tanin’ireo firenena izay noroahin’Andriamanitra teo anoloan’izy ireo, ary naharitra hatramin’ny andron’i Davida.


fa izao ianareo tsy mbola tonga amin’ny fitsaharana aman-dova omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.


Ka raha avy izay hanomezan’i Iaveh Andriamanitrao fitsaharana anao, tsy hohelingelenin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anao, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao mba hanananao azy, dia vonoy tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra intsony ny fahatsiarovana an’i Amaleka, aza manadino izany.»


Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;


ka dia mbola misy andro fialan-tsasatra àry ho an’ny vahoakan’Andriamanitra.


ary hanampy azy ianareo mandra-panomen’i Iaveh fitsaharana toa anareo koa amin’ny rahalahinareo, ka efa mahazo ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrareo azy koa izy ireo; izay vao hiverina ianareo amin’ny tany izay anareo, atỳ an-dafin’i Jordany, fiposahan’ny masoandro.»


Azon’i Jôsoe avokoa ny tany rehetra, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy, ka nomen’i Jôsoe ho lovan’i Israely, natokony araka ny fokony avy. Dia natsahatra tamin’ny ady ny tany.


Ary ankehitriny, efa nomen’i Iaveh Andriamanitrareo fitsaharana ny rahalahinareo, araka ny efa nolazainy taminy; koa modia ary mankanesa any amin’ny lainareo, any amin’ny tany izay anareo, izay nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh anareo, any andafin’i Jordany.


Efa ela no nanomezan’i Iaveh fitsaharana an’i Israely, sy nanafahany azy tamin’ny fahavalony rehetra amin’ny manodidina, ka efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Jôsoe.