Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Hebreo 10:2 - Baiboly Katolika Raha tsy izany, tsy ho nitsahatra nanatitra va ny olona, satria rehefa voadio indray mandeha ny mpanatitra, dia tsy ho nahare intsony hoe nanota izy tamin’ny fieritreretany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa raha tsy izany dia tsy ho nitsahatra va ireny fanolorana fanatitra ireny ka ireo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany dia ho efa voadio indray mandeha ary tsy henjehin’ny fieritreretany ny amin’ny fahotany intsony? DIEM PROTESTANTA Fa raha mba voadio tanteraka ho afaka tamin’ny otany tokoa ireo mpanao izany fanompoam-pivavahana izany, dia tsy hoenjehin’ny fieritreretany intsony, ka ho nitsahatra nanolotra sorona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa raha mba voadio tanteraka ho afaka tamin’ny otany tokoa ireo mpanao izany fanompoam-pivavahana izany, dia tsy hoenjehin’ny fieritreretany intsony, ka ho nitsahatra nanolotra sorona. Baiboly Protestanta Malagasy Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian’ny fieritreretany ny amin’ny otai ntsony izy? Malagasy Bible Raha izany, dia tsy ho nitsahatra va ny nanaterany ireo, satria rehefa nodiovina indray mandeha ny mpivavaka, dia tsy ho nasian'ny fieritreretany ny ota intsony izy? La Bible en Malgache Fa raha tsy izany dia tsy ho nitsahatra va ireny fanolorana fanatitra ireny ka ireo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany dia ho efa voadio indray mandeha ary tsy henjehin’ny fieritreretany ny amin’ny fahotany intsony? |
Tahaka ny halaviran’ny atsinanana amin’ny andrefana, no halaviran’ny anesorany amintsika ny hadisoantsika.
Izaho dia Izaho ihany no namono ny fahadisoanao, noho ny fitiavako ny Tenako, ka tsy hotsarovako intsony ny fahotanao.
Efa nolevoniko toy ny zavona ny fahadisoanao; ary toy ny rahona ny fahotanao; ka miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.
Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny faharatsiantsika. Harianao any ambany ranomasina, ny fahotany rehetra;
Ho anao koa, noho ny ran’ny fanekena taminao, no efa hamoahako ny mpifatotrao, avy ao an-davaka tsy misy rano.
Fa zavatra ankasitrahin’Andriamanitra ny fiaretan’ny olona ny fampahoriana afitsoka azy tsy an-drariny noho ny fitiavana Azy.