Genesisy 9:22 - Baiboly Katolika Nahita ny fitanjahan-drainy i Kama, rain’i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin’izy roa lahy rahalahiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy ka nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany izany. DIEM PROTESTANTA I Hama rain’i Kanahàna, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hama rain’i Kanahàna, rehefa nahita ny fitanjahan-drainy, dia lasa nampandre ireo rahalahiny roa tao ivelany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy, dia nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. Malagasy Bible Ary hitan'i Hama, rain'i Kanana ny fitanjahan'ny rainy, dia nambarany tamin'ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. La Bible en Malgache Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy ka nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany izany. |
Fa noraisin’i Sema sy i Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin’ny sorony, dia nanao dia mianòtra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy.
ka hoy izy: «Ho voaozona anie i Kanaana. Ho andevon’ny andevo izy, amin’ny rahalahiny.»
Ho menatra sy hangaihay avokoa anie, ireo mitady ny aiko hamerezany azy! Hihemotra sy ho menatra foana anie ireo maniry ahy ho levona!
Aoka ho menatra sy hangaihay, izay mitady ny aiko! Aoka hihemotra sy ho menatra, izay maniry hahavery ahy!
Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.
Loza ho an’izay mampisotro ny namany, dia ianao izay mampidina ny hatezeranao, mandra-pahamamony, mba hijery ny fitanjahany!
Ary raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatòna azy; ka rehefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany. raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
Ry kristianina havana, raha misy olona azon-javatra tsy fidiny ka diso, dia aoka ianareo olona ara-panahy hananatra azy amin-kamoram-po, sy hitandrina fandrao mba azon’ny fakam-panahy koa.