Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 7:13 - Baiboly Katolika

Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’i Noa, mbamin’ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy

Jereo ny toko



Genesisy 7:13
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitera-dahy koa i Sema, rain’ny zanak’i Ebera rehetra, sy zokin’i Jafeta.


Zanak’i Kama: i Kosy, i Mesraima, i Fota, ary i Kanaana.


Rehefa dimanjato taona i Nôe, dia niteraka an’i Sema sy i Kama ary i Jafeta.


Niteraka telo mirahalahy izy, dia i Sema sy i Kama ary i Jafeta.


Fa hanao fanekem-pihavanana aminao kosa aho, ary hiditra ao an-tsambo fiara ianao sy ny zanakao, ny vadinao sy ny vinantovavinao.


Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.


dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.


Ary tamin’ny volana faharoa, andro fahafito amby roapolon’ny volana, dia maina ny tany.


Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.


dia ireo fanahy tsy nino fahiny, fony niandry ny fahari-pon’Andriamanitra tamin’ny andron’i Nôe, mandritra ny nandrafetana ny sambo fiara, izay nampidirana olona vitsy, dia valo monja, sy namonjena azy teo tamin’ny rano.


matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;


Ary raha tonga mitaraina aminay ny rainy na ny anadahiny dia izao no holazainay aminy: «Mba avelao ho anay izy fa tsy nahazo vady ho azy tsirairay avy izahay, tamin’ny ady. Sady tsy ianareo no nanome azy ho azy ireo, fa raha izany no meloka ianareo.»