Genesisy 7:13 - DIEM PROTESTANTA13 Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo; Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Tamin’izay andro izay dia niditra tao an-tsambo fiara i Nôe, nomban’i Sema sy i Kama ary i Jafeta, zanakalahin’i Nôe, ary ny vadin’i Nôe, sy ny vinantovaviny telo niaraka taminy; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin’ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin’i Noa, mbamin’ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Androtrizay indrindra dia efa tafiditra tao anatin'ny sambo-fiara Noa, sy Sema sy Hama ary Jafeta, zanakalahin'i Noa, mbamin'ny vadin'i Noa, ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy; Jereo ny tokoLa Bible en Malgache13 Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy Jereo ny toko |
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.
Ary raha misy rainy na anadahiny tonga hitaraina aminay, dia hovalianay hoe: «Miangavy anareo izahay mba tsy ho sarotiny amin’ireo lehilahy benjaminita, satria tsy nahazo vehivavy ho azy ireo tsirairay avy izy tamin’ny ady tao Jabesy. Ary satria tsy ianareo no nanome azy ny zanakareo vavy, dia tsy azo ampangaina ho meloka amin’ny fianianana ianareo».