Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 7:14 - DIEM PROTESTANTA

14 niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 niditra tao koa ireo bibidia amam-biby fiompy rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra isan-karazany mihetsiketsika ambonin’ny tany mbamin’ireo voro-manidina rehetra isan-karazany sy ireo bibikely rehetra manana elatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 dia izy ireo sy ny biby rehetra isan-karazany, ny biby fiompy rehetra isan-karazany, ny biby rehetra mikisaka amin’ny tany isan-karazany, ny voronkely, ny mananelatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 dia izy ireo sy ny bibi-dia rehetra; samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany, samy araka ny karazany avy,ary ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy. dia ny voronkely sy ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 7:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Dia noarin’Andriamanitra ireo fanano anaty ranomasina sy ireo zava-miaina rehetra isan-karazany mihetsiketsika sady miriaria ao anaty rano, ary koa ireo voro-manidina isan-karazany. Ka hitan’Andriamanitra fa tsara izany.


Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny tany hamoaka zava-miaina isan-karazany: biby fiompy, biby madinika mandady ary bibidia, samy araka ny karazany avy.» Dia tanteraka izany.


Itondray tsiroaroa avy ny zava-mananaina rehetra isan-karazany, dia lahy sy vavy; ka ampidiro ao an-tsambofiara mba hovelomina miaraka aminao.


Tamin’io andro io no niditra tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny ary koa i Sema sy i Hama ary i Jafeta zanany lahy mbamin’ireo vinantovaviny telo;


Samy tonga tsiroaroa teo amin’i Noà tao anatin’ny sambofiara ireo voaary rehetra manam-pofonaina.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra