Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 49:4 - Baiboly Katolika

nandroadroatra toy ny rano ianao, ka tsy hanana ny fiamboniana! Fa niakatra tamin’ny fandrian-drainao ianao, Ka nandoto ny fandriako tamin’ny niakaranao tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mandroadroatra toy ny rano anefa ianao ka tsy hanana tombony intsony, satria niakatra tamin’ny fandrianan’ny rainao ianao, ary tamin’izany no nandotoanao azy. Endre, ny farafarako lahy ka niakarany!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Misamboaravoara toy ny ranon-driaka ianao; kanefa tsy ho lohalaharana intsony ianao, satria niakatra teo am-pandriako ka nandoto ny farafarako tamin’ny vadiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Misamboaravoara toy ny ranon-driaka ianao; kanefa tsy ho lohalaharana intsony ianao, satria niakatra teo am-pandriako ka nandoto ny farafarako tamin’ny vadiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Mandroadroatra toy ny rano hianao ka tsy hanan-tombo, Fa niakatra tamin’ny fandrian’ny rainao hianao, Tamin’izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mandroadroatra toy ny rano anefa ianao ka tsy hanana tombony intsony, satria niakatra tamin’ny fandrianan’ny rainao ianao, ary tamin’izany no nandotoanao azy. Endre, ny farafarako lahy ka niakarany!

Jereo ny toko



Genesisy 49:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nipetraka teo amin’izany tany izany i Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Balà, vaditsindranon-drainy; ary nandre izany i Israely. Roa ambin’ny folo no isan’ny zanakalahin’i Jakôba.


Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Israely tonga tany Ejipta. I Jakôba sy ny zanany lahy:


Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.


Re laza tsy leo dina fa misy fahalotoana atỳ aminareo, sady fahalotoana tsy fahita na dia any amin’ny Jentily aza, dia olona anankiray manambady ny vadin-drainy!


Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.


Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena, ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.»


Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona.


Ny masony feno fijangajangana sy liam-pahotana lalandava; ny tsy miorin-tsaina tsara, angoleny; ny fony zatry ny fitiavam-bola; eny, zanaky ny fanozonana izy ireo.


Toy izany koa no ataony amin’ny epistolany rehetra izay ilazany ny amin’izany zavatra izany; misy teny saro-pantarina anefa amin’ireny, izay aolan’ny sasany kely fahalalana sy ratsy orina, toy ny ataony amin’ny Soratra hafa koa, ka tonga fahaverezana ho azy.