Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 47:4 - Baiboly Katolika

Dia hoy koa izy tamin’i Faraôna: «Tonga aty izahay mpanomponao mba hitoetra amin’ity tany ity, fa tsy misy hanina intsony horaotin’ny ondrin’ny mpanomponao, fa mamely mafy ny mosary any amin’ny tany Kanaana. Koa aoka re mba havelanao honina eto amin’ny tany Gesena ny mpanomponao.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Namely mafy ny mosary tao amin’ny tany Kanahàna, ka tsy misy intsony ny ahitra ho an’ny ondry aman’osinay; koa tonga mba hivahiny eto amin’ity tany ity izahay mpanomponao ankehitriny, ary miangavy mba hipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy koa izy tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman-osin’ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra hianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy koa izy tamin'i Farao: Mba hivahiny eto amin'ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an'ny ondry aman'osin'ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin'ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin'ny tany Gosena ny mpanomponao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hoy koa izy ireo tamin’i Farao: Mba hivahiny eto amin’ity tany ity no niavianay fa tsy misy ahitra ho an’ny ondry aman’osin’ny mpanomponao intsony any amin’ny tany Kanana satria mafy ny mosary any. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka mba honina ao amin’ny tany Gosena ny mpanomponao!

Jereo ny toko



Genesisy 47:4
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa nisy mosary teo amin’ny tany ka nidina nitoetra any Ejipta i Abrama, fa lehibe ny mosary teo amin’ny tany.


Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona.


Nihamafy ny mosary tamin’ny tany;


Fa honina eo amin’ny tany Gesena ianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra.


Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»


Dia hoy i Faraôna tamin’i Josefa: «Tonga aty aminao ireto ny rainao sy ny rahalahinao; koa indro eo anoloanao ny tany Ejipta; amponeno amin’izay tany tsara indrindra ny rainao sy ny rahalahinao.


Izay vao nankany Ejipta i Israely, ka nitoetra teo amin’ny tanin’i Kama i Jakôba.


Fa izao no lazain’i Iaveh Tompo: Ny honina any no nidinan’ny vahoakako tany Ejipta fahiny; ary tatỳ aoriana dia nampahorin’i Asora, tsy ahoan-tsy ahoana izy.


Tamin’izay dia nisy mosary eran’i Ejipta sy i Kanaana manontolo ka loza no nanjo, fa tsy nahita hanina ny razantsika.


Izao no nolazain’Andriamanitra: ‹Honina amin’ny tany hafa ny taranany, ary handevozina sy hampahorina efajato taona.


Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.