Izay ilay lehiben’ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin’i Faraôna nanao hoe: «Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio.
Genesisy 42:21 - Baiboly Katolika Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika. DIEM PROTESTANTA nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika. Malagasy Bible Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika. La Bible en Malgache Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika. |
Izay ilay lehiben’ny mpandroso divay vao niteny ka nilaza tamin’i Faraôna nanao hoe: «Ndeha hampahatsiaro ny fahadisoako taloha aho anio.
Ary hoy ny navalin’i Jodà: «Inona indray moa no azonay avaly ny tompoko? Hataonay ahoana no fiteny? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Efa hitan’Andriamanitra ny faharatsian’ny mpanomponao. Koa dia indreto izahay ho andevon’ny tompoko, na izahay na izay nahitana ny kôpy.»
Hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: «Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky?» Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany.
Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Josefa fa maty i rainy dia hoy izy: «Sao dia anaovan’i Josefa fo lentika isika, ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.»
Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: «Nanota tamin’i Iaveh aho!» Fa hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: «Navelan’i Iaveh ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
Dia hoy ity vehivavy tamin’i Elia: «Inona akory moa no raharahako aminao, ry olon’Andriamanitra? Moa tsy hamelona ny fahatsiarovana ny fahotako, sy ny hahafaty ny zanako va no nahatongavanao tatỳ amiko?»
Izay manentsin-tadìny amin’ny fitarainan’ny mahantra, dia mba hitaraina koa fa tsy hovaliana akory.
Izay mivesatra ny ran’olona nalatsany, dia mandositra hatrany an-davaka: Aza misakana azy.
Izany no mahazo anao, moa tsy dia noho ianao nahafoy an’i Iaveh Andriamanitrao, tamin’ny andro nitondrany anao teny an-dalana?
Ny haratsianao no mamely anao, ary ny fiodinanao no manafay anao. Koa fantaro sy jereo, fa ratsy sady mangidy manao ahoana, ny nahafoizanao an’i Iaveh Andriamanitrao, sy ny tsy nanananao tahotra Ahy kely akory, - teny marin’ny Tompo Iavehn’ny tafika. -
Koa izao no lazain’i Iaveh: Tsy nihaino Ahy ianareo fa tsy nitory fahafahana ho an’ny rahalahiny sy ho an’ny namany avy; koa indro Izaho kosa mitory fahafahana ho anareo. - teny marin’i Iaveh. - Halefako ianareo ho amin’ny sabatra sy ny pesta ary ny mosary, sady hataoko zavatra fampitahorana any amin’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany.
Izany no tamby, valin’ny fitondran-tena aman’asa ratsinao; izany no vokatry ny haratsiam-panahinao, ka mangidy! Eny, mihatra amin’ny fo izany!
Handeha Aho hody any amin’ny fonenako, mandra-piaikiny ny mahameloka azy, ka hitadiavany ny Tavako. Fa hitady Ahy izy ireo, rehefa azom-pahoriana.
Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia indro manota amin’i Iaveh ianareo, ka fantaro fa hanody anareo ny fahotanareo.
fa araka ny fitsarana hataonareo no hitsarana anareo, ary araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa.
(fa manan-drahalahy dimy aho), mba hilaza aminy ny marina, fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.›
Fa fitsarana tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy namindra fo; ary ny famindram-po no maharesy ny fitsarana.
Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Andriamanitra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika amin’ny tsy fahamarinana rehetra.
Dia hoy i Adôni-Bezeka: «Mpanjaka fitopolo notapahina ankiben-tongotra aman-tanana no nitsindroka tao ambany latabatro, ka ny nataoko ity no afotitr’Andriamanitra amiko.» Nentina nankany Jerosalema izy, dia maty tany.