Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:21 - DIEM PROTESTANTA

21 nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 nefa nifampiresaka hoe: –Tena meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika izay hitantsika ny fahoriam-panahiny tamin’ny fiangaviany antsika, nefa tsy mba nohenointsika; ary izao dia manody antsika izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Ary nifampilaza izy nanao hoe: «Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika; fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian’ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:21
29 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay no niteny tamin’ny Farao ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ka nanao hoe: –Tompokolahy ô, tsaroako ankehitriny ny fahadisoako.


Dia namaly i Joda hoe: –Inona moa, tompoko, no holazainay anao? Inona no ho azonay lazaina mba hampiseho ny fahamarinanay? Andriamanitra no nahita ny fahadisoan’ny mpanomponao: indreto àry izahay, tompoko, manaiky ho andevonao miaraka amin’ilay nahitana ny tsangambava.


Hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Izaho no Jôsefa; moa mbola velona any ihany ve i dada? Tsy nahavaly azy kosa ireo rahalahiny, fa tora-kovitra teo anatrehany.


Rehefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty ny rainy, dia nifampiresaka izy hoe: «Mety hankahala antsika i Jôsefa ka hamaly faty ireo ratsy nataontsika taminy.»


Dia hoy i Davida tamin’i Natàna: –Nanota tamin’ny TOMPO aho. Ary hoy kosa i Natàna tamin’i Davida: –Ny TOMPO efa namela ny helokao, ka tsy ho faty ianao.


Dia hoy ravehivavy tamin’i Elià: –Ry olon’Andriamanitra, nahoana no nanao izao tamiko ianao? Moa hampahatsiaro ny fahotako sy hahafaty ny zanako lahy ve no nahatongavanao tatỳ amiko?


Izay manampin-tsofina amin’ny fitarainan’ny mahantra dia tsy hisy hihaino rehefa mba mitaraina koa.


Handositra hatrany am-pasana ny olona izay enjehin’ny eritreriny noho izy nahafaty olona: aoka tsy hisy hisakana azy!


Ny nahatonga izany taminao ve tsy noho ny nandaozanao ny TOMPO Andriamanitrao tamin’ny andro nitantanany anao teny an-dalana?


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Dia hoy ihany i Jeremià hoe: «Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Samy tokony ho nanambara fanafahana ho an’ny mpanompony avy ianareo, dia ho an’ny namany sady mpiray firenena aminy; nefa tsy nankatò Ahy ianareo. Koa Izaho TOMPO mihitsy no manambara sy miteny hentitra aminareo fa halefako hamely anareo ny ady sy ny areti-mandringana ary ny mosary; hany ka hataoko mampivarahontsana ianareo any amin’ny fanjakana rehetra eran-tany.


Ny fitondrantenanao sy ny ratsy nataonao no nahatonga izao taminao, ry Jerosalema. Hotsaroanao ny ngidin’izao loza izao, satria mihatra hatrany amin’ny fonao.


Handeha hody any amiko Aho, hoy ny TOMPO, mandra-piaikin’i Efraîma sy i Joda ho diso ka hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana mafy izy, dia hikatsaka Ahy fatratra.


Fa raha tsy manao izany kosa ianareo, dia manota amin’ny TOMPO, ary fantaro fa ianareo ihany no hifoteran’ny vokatry ny fahotanareo.


fa araka izay fomba hitsaranareo olona ihany no hitsaran’Andriamanitra anareo koa, ary araka izay fomba hamaranareo ho an’ny olona ihany no hamaran’Andriamanitra ho anareo koa.


Any, «ny olitra mivoaka amin’ny tena, tsy maty; ary ny afo, tsy mitsaha-mirehitra.»


fa misy dimy lahy iray tampo amiko any. Aoka i Lazara hananatra azy mafy, mba tsy hahatonga azy koa amin’ity toeram-pijaliana ity!»


Tamin’ireo tonga mpino, dia maro no niaiky sy nanambara ampahibemaso izay nataony.


satria fitsarana tsy misy indrafo no hataon’Andriamanitra amin’izay tsy namindra fo; ny famindrampo kosa afa-mirehareha tsy matahotra ny fitsarana.


Fa raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mitana ny toky nomeny Andriamanitra sady miantra, ka hamela ny fahotantsika sy hanadio antsika ho afaka amin’ny ratsy isan-karazany.


Ary hoy i Adônỳ-Bezèka hoe: –Mpanjaka fitopolo, tapaka ankiben-tanana sy ankiben-tongotra, no nitsimpona hanina teo ambany latabatro; koa izay nataoko ihany no navalin’Andriamanitra ahy! Dia nentina ho any Jerosalema i Adonỳ-Bezèka ary maty tany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra