Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin’ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany.
Genesisy 41:51 - Baiboly Katolika Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko. DIEM PROTESTANTA Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko. Malagasy Bible Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko. La Bible en Malgache Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko. |
Manaraka izany, hisy kosa fito taona mosarena, ka amin’ny tany Ejipta ho hadino izany fahavokaram-be rehetra izany, ary ny mosary handevona ny tany.
Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.
ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.»
Taorian’izany nisy tonga nilaza tamin’i Josefa hoe: «Indro marary i rainao.» Nentiny niaraka taminy i Manase sy i Efraima zanany mirahalahy.
Koa ankehitriny, ny zanakao roa lahy izay naterakao tatỳ Ejipta, talohan’ny nahatongavako aty aminao teto Ejipta, dia ho ahy; ho ahy, tahaka an-dRobena sy i Simeôna koa i Efraima sy i Manase,
Mihirà ho an’i Iaveh ianareo mpiraikitra aminy, mankalazà ny fahatsiarovana masina Azy.
Zanaka vavin’Andriamanitra no isan’ny malalanao; ny mpanjakavavy miravaka volamenan’i Ofira no eo ankavananao.
Fa tsy te-hifandahatra mandrakariva aho, na hitahiry fahatezerana mandrakizay; satria amin’izany dia ho torana eo anatrehako ny fanahy sy ny aina izay nataoko.
Na iza na iza te-hotahina eto an-tany, dia hitady hotahin’ny Andriamanitry ny fahamarinana; ary na iza na iza hianiana eto an-tany, hianiana amin’ny Andriamanitry ny fahamarinana. Fa ny fahoriana taloha hohadinoina, sy ho lasa tsy ho hitan’ny maso intsony.
An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».
Fa mizara ho foko roa ny taranak’i Josefa dia i Manase sy i Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin’ny tany ny Levita afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ho an’ny biby ompiany sy ny fananany.
Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.