Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 41:51 - DIEM PROTESTANTA

51 Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

51 Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

51 Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

51 Ka ny lahy matoa nataon’i Josefa hoe Manase, fa hoy izy: «Efa nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra sy ny tranon’ikaky rehetra»;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

51 Ary ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

51 Ary ny anaran'ny lahimatoa dia nataon'i Josefa hoe Manase; fa hoy izy: Andriamanitra efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon'ny raiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

51 Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:51
19 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia hisy taona fito mosarena handimby azy, ka ho hadino ny fahavokarana be nanerana an’i Ejipta fa hamely ny tany kosa ny mosary.


Talohan’ny nahatongavan’ny mosary, dia niteraka zaza roa lahy i Asenata vadin’i Jôsefa.


Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»


Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.


Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.


Fa hohadinoinao ny fahorianao lasa, na toa rano nandalo sisa no hahatsiarovanao azy.


TOMPO ô, henoy aho ka iantrao; TOMPO ô, aoka hamonjy ahy Ianao!


Mihirà salamo ho an’ny TOMPO, ianareo mpivavaka aminy; manaova fiderana Azy ka tsarovy fa masina Izy.


Misy andriambavy iray mitsena anao, dia mpanjakavavy maka toerana eo ankavananao sady miravaka volamena avy any Ôfira.


dia hiboboka izy hanadinoany ny fahoriany ary tsy hahatsiarovany ny fahantrany intsony.


Fa tsy hanakiana lava Aho na ho tezitra hatrany; raha tsy izany dia ho faty eo anatrehako ny fofonaina mbamin’ny mananaina noariko.


Fa izay hifampirary fitahiana eto amin’ity tany ity, dia hifanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky; izay hianiana eto amin’ity tany ity, dia hanao izany ao amin’Andriamanitra hany mahatoky. Hoy kosa ny TOMPO hoe: Eny, ireo fahoriana taloha dia hohadinoina sy ho voakosoka tanteraka tsy ho eo imasoko.


Ny taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraîmita.


Homem-boninahitra anie ny taranak’i Jôsefa satria mahery tahaka ny ombalahy izy! Tahaka ny ombimanga be tandroka izy, ka manan-tandroka roa hanotoany ny firenena rehetra hatrany amin’ny faravazan-tany, dia ny miaramila alinalin’ny fokon’i Efraîma sy ny miaramila arivoarivon’ny fokon’i Manase.»


satria ny taranak’i Jôsefa dia efa foko roa: ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraîma. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanàna honenana sy kijàna manodidina azy ho an’ny biby fiompiny mbamin’ny fananany hafa.


Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny fokon’i Manase izay lahimatoan’i Jôsefa. Teny atsinanan’i Jôrdàna, ny tarik’i Makira, lahimatoan’i Manase sady rain’i Gilehada, dia nomena ny faritany Gilehada sy Basàna, satria miaramila mahery fo i Makira.


Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra