Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 41:52 - DIEM PROTESTANTA

52 Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

52 Ny anaran’ny zandriny kosa dia nataony hoe Efraima; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

52 Nantsoiny hoe Efraîma kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: «Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin’ity tany nijalijaliako ity.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

52 ary ny zandriny nataony hoe Efraima, fa hoy izy: «Efa nampitombo ahy Andriamanitra aty amin’ny tany nijaliako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

52 Ary ny anaran’ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

52 Ary ny anaran'ny zandriny kosa nataony hoe Efraima; fa hoy izy: Andriamanitra efa nahamaro ahy teto amin'ny tanin'ny fahoriako.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 41:52
21 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko maro taranaka fatratra ianao ka hanjary firenena maro, sady hisy mpanjaka hipoitra avy aminao.


Hitahy anao anie ilay Andriamanitra Tsitoha, ka hanome taranaka maro mba hahatonga anao ho razamben’ny firenena maro


Nantsoin’i Jôsefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe «Nampanadinoin’Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin’izay rehetra any an-tranon’ny raiko.»


Nifarana ny fito taona zina tany Ejipta;


Taorian’izany zavatra izany, dia nisy nilaza tamin’i Jôsefa fa marary ny rainy. Dia nentin’i Jôsefa niaraka taminy ny zanany roa lahy, dia i Manase sy i Efraîma.


Fa nampifamadihin’i Jakôba ny tanany, ka ny tanany havanana no napetrany teo amin’ny lohan’i Efraîma na dia zandriny aza io; fa ny tanany havia kosa no napetrany teo amin’ny lohan’i Manase, kanefa izy io no lahimatoa.


Hoy izy nanampy izany: –Koa ankehitriny, ireo zanakao roa lahy, teraka teto Ejipta talohan’ny nahatongavako taty aminao, dia raisiko ho zanako. Eny, ho zanako mitovy amin’i Reobena sy i Simehôna mihitsy i Manase sy i Efraîma.


I Jôsefa dia toy ny zava-maniry mahavokatra izay mirobona eo akaikin-doharano ka manan-drantsana tafahoatra ny fefy.


ka nahita ny zafiafin’i Efraîma zanany lahy izy ary nanangana ireo zanak’i Makira izay zafikeliny sady zanakalahin’i Manase.


Misotro divay amin’ny kaopy lehibe ianareo sady manosotra ilomanitra ny lohanareo, fa tsy mba malahelo amin’ny fahavoazan’ny fokon’i Jôsefa.


Ny taranak’i Jôsefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraîmita.


ka nafahany tamin’ny fahoriana rehetra ary nataony mamy hoditra sy nomeny fahendrena teo anatrehan’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta. Dia notendren’ny Farao ho mpifehy an’i Ejipta sy ny tao an-dapany rehetra i Jôsefa.


satria ny taranak’i Jôsefa dia efa foko roa: ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraîma. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanàna honenana sy kijàna manodidina azy ho an’ny biby fiompiny mbamin’ny fananany hafa.


Ireo taranak’i Jôsefa, izany hoe ny fokon-dry i Manase sy i Efraîma, no nandova izany.


Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny fokon’i Manase izay lahimatoan’i Jôsefa. Teny atsinanan’i Jôrdàna, ny tarik’i Makira, lahimatoan’i Manase sady rain’i Gilehada, dia nomena ny faritany Gilehada sy Basàna, satria miaramila mahery fo i Makira.


Dia bevohòka i Hanà, ka tera-dahy, sady loa-bava hoe: –Ny anarany dia hataoko hoe Samoela, satria nangatahiko tamin’ny TOMPO izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra