I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Genesisy 41:45 - Baiboly Katolika Nomen’i Faraôna anarana hoe Tsafnata-Paneaka i Josefa; ary natolony ho vadiny i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga i Josefa hamangy ny tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nataon’i Farao hoe Zafenata-Panea ny anaran’i Josefa. Nomeny azy ho vadiny i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona. Ary nandeha nitety ny tany Ejipta i Josefa. DIEM PROTESTANTA Avy eo dia nomen’ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Jôsefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin’i Pôtifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Jôsefa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo dia nomen’ny Farao anarana hoe Tsafenata-Pahenea i Jôsefa, sady nomeny azy ho vady i Asenata zanakavavin’i Pôtifara, mpisorona tao Ona. Dia niainga hisafo ny tany Ejipta manontolo i Jôsefa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nataon’i Farao hoe Zafenata-panea no anaran’i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin’i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. Malagasy Bible Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. La Bible en Malgache Nataon’i Farao hoe Zafenata-Panea ny anaran’i Josefa. Nomeny azy ho vadiny i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona. Ary nandeha nitety ny tany Ejipta i Josefa. |
I Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy.
Talohan’ny nahatongavan’ny taona mosarena, dia niteraka roa lahy i Josefa, izay naterak’i Aseneta, zanaka vavin’i Potifara mpisorona tao Ona, taminy.
izay naterak’i Aseneta zanaka vavin’i Potifara, mpisorona ao Ona, dia i Manase sy i Efraima.
i Baniasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ny zanak’i Davida no mpanolo-tsaina manolotra azy indrindra.
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Ireo tsangam-bato ao an-tranon’ny Masoandro, eo amin’ny tany Ejipta, hotorotoroina, ary ireo tranon’ny andriamanitr’i Ejipta hodorana.»
Ny zatovon’i Avena sy i Bobasta, ho lavon-tsabatra; ary ny tenan’izy ireo ho lasan-ko babo.
Tamin’izany andro izany dia namoaka didy i Sezara Aogosta hampanoratra ny anaran’ny vahoakany amin’ny tany rehetra:
Ary voatsindrin’ny Fanahy Masina ny anankiray tamin’izy ireo atao hoe Agabosy, ka nitsangana nilaza fa hisy mosary lehibe amin’izao tontolo izao. Dia tonga tokoa izany tamin’ny andron’ny Klaody.