hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,
Genesisy 38:2 - Baiboly Katolika Teo no nahitany ny zanaka vavin’ny Kananeanina anankiray, atao hoe Soe, ka naka an’io ho vady izy, dia nandeha taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy. DIEM PROTESTANTA Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tany no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Sohà lehilahy kanahanita, ka nalainy ho vady. Baiboly Protestanta Malagasy Ary teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy. Malagasy Bible Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy. La Bible en Malgache Teo no nahitan’i Joda ny zanakavavin’i Soa lehilahy kananita iray; dia naka azy io izy ka nanambady azy. |
hampianiana anao amin’ny anaran’i Iaveh Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany, fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanaka vavin’ny Kananeanina, izay iraisako monina, ianao,
Dia nantsoin’i Isaaka i Jakôba, ka notsofiny rano sy nomeny teny hoe: «Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana.
Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.
ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, i Selà, i Faresa ary i Zarà; fa i Hera sy i Onàna maty teny Kanaana. Ny zanak’i Faresa dia i Hesrôna sy i Hamola.
dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.
Ary tamin’izany andro izany dia nisy ny Rapeton’olona teto ambonin’ny tany, dia rehefa nankamin’ny zanaka vavin’ny olombelona ny zanak’Andriamanitra, sy efa nahary zaza taminy. Ary ireny no olo-mahery nalaza hatrizay ela izay.
Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.
Aza manao fikambanan-jioga hafahafa amin’ny tsy mpino ianareo; satria, inona moa no ikambanan’ny fahamarinana sy ny faharatsiana? Na inona no iraisan’ny mazava sy ny maizina?
Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: «Nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy.»