Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Samoela 11:2 - Baiboly Katolika

2 Indray hariva raha ilay avy niarina avy teo am-pandriana iny i Davida ka nitsangantsangana teo amin’ny tafon-tranon’ny mpanjaka, dia tazany avy eo ambony tafon-trano ity vehivavy anankiray nandro, ary tsara tarehy erỳ ravehivavy io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Nony harivariva dia niala tao am-pandrianany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary Ravehivavy dia tsara tarehy maha te hijery.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Indray takariva dia niarina avy teo am-pandriany i Davida ka nitsangantsangana teo an-tafon-trano marin-tampon’ny lapam-panjakana. Avy teny no nahatazanany vehivavy iray nandro. Tsara tarehy aoka izany ravehivavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ny lapa; ary raha teo izy, dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary nony harivariva, dia niala tao ampandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon'ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.

Jereo ny toko dika mitovy




2Samoela 11:2
28 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa nadiva hiditra tany Ejipta dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: «Fantatro fa noho ianao vehivavy tsara tarehy,


Ary hitan-dravehivavy fa ny voan’ilay hazo dia fihinana, mahatehijery sy mendrika hoirîna mba hahazoana fahiratan-tsaina; nioty tamin’ny voany izy, dia nihinana ary nomeny koa ny vadiny izay niaraka taminy, ary nihinana izy.


ka hitan’i Sikema zanak’i Hemora, Heveanina, andriana tamin’izany tany izany, dia notsoahany, ka niray fandriana ary nanao an-kery taminy izy.


Ary napetrany teo an-tanan’i Josefa avokoa izay nananany; ka tsy niahy na inona na inona intsony izy taminy, afa-tsy ny hanin-kohaniny. Ary i Josefa dia sady bikàna no tsara tarehy.


dia hitan’ireo zanak’Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ny olombelona, ka naka vady tamin’izy ireo izy, dia tamin’izay rehetra tiany.


Tatỳ aorian’izany dia nanana anabavy tsara tarehy kosa i Absalôma zanak’i Davida; Tamara no anarany, ary tia azy io i Amnôna zanak’i Davida.


Zanaka lahy telo no teraka tamin’i Absalôma sy zanaka vavy iray natao hoe: Tamara, vehivavy tsara tarehy io.


Ary tonga i Rekaba sy i Baanà zanak’i Remôna avy any Berôta, ka nony tamin’ilay andro nigaingaina iny indrindra, dia niditra tao an-tranon’i Isbôseta izay nandrinandry niala sasatra tamin’ny misasaka andro.


Ilay nandry teo am-parafarany, tao an’efitra fandriany iny i Isbôseta, no niditra tao an-trano izy ireo, dia novonoiny ho faty izy, ka notapahiny ny lohany, dia nentiny, ary nandeha mandritra ny alina manontolo izy, namaky ny Tany lemaka.


Efa fanekena nataoko tamin’ny masoko, ka hataoko ahoana no fanopy maso hijery virjiny?


Avilio tsy hahita izay zava-poana ny masoko; ataovy velona ao amin’ny lalànao aho.


Ny hakamoana mampatoritory foana; ary ny fanahy malaina ho tratry ny mosary.


Fitaka ny bika soa, zava-poana ny hatsaran-tarehy; fa ny vehivavy matahotra an’i Iaveh ihany no hoderaina.


Aza maniry ny hatsaran-tarehiny, ao am-ponao, ary aza mety hambosin’ny hodi-masony ianao.


Nandao teo an-dalambe, anilan’ny fonenan’ny vehivavy an’olon-kafa izy, dia nandroso ho eo amin’ny tranony.


Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.


Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava; ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;


ary izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny zavany ao an-tranony,


Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra hijery vehivavy ka maniry azy, dia efa nijangajanga taminy tao am-pony sahady.


Nony ampitso, raha mbola teny an-dalana ireo iraka ireo, ka efa mby akaikin’ny tanàna, i Piera kosa niakatra teo ambonin’ny tampon-trano mba hivavaka, tokony ho tamin’ny ora fahenina.


«Raha manao trano vaovao ianao, dia asio arofanina manodidina ny tafon-tranonao mba tsy hanisy ra amin’ny tranonao ianao, raha sendra misy olona mianjera avy aminy.


Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona.


Ary efa akaiky ny faran’ny zavatra rehetra, ka hendre, mahonòna tena mba ho afa-mivavaka.


Satria ny zavatra rehetra amin’izao tontolo izao, ny filàn’ny nofo, ny fitiavan’ny maso, ny rehaka amin’izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao.


Nidina avy eo amin’ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin’i Saola tao ambony tafon-trano i Samoela.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra