Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 36:6 - Baiboly Katolika

Ary nentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra noharîny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin’ny tany anankiray lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nentin’i Esao ny vadiny sy ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman-ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’izay tany hialana eo anatrehan’i Jakoba rahalahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.

Jereo ny toko



Genesisy 36:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.


Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.


ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy.


Homeko anao sy ny taranaka handimby anao ny tany izay ipetrahanao izao mbola vahiny izao, dia ny tany Kanaana manontolo hananany azy mandrakizay, ary Izaho no ho Andriamanitr’izy ireo.»


Ka hoy i Iaveh taminy: «Firenena roa no ao an-kibonao. Vahoaka roa toko no hisaraka hatreo am-pialana amin’ny kibonao. Ka ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray toko hafa. Ary ny iray lehibe no hanompo ny iray kely.»


Homeny anao anie ny fanasoavana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao, mba hanananao ny tany itoeranao, izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.»


Ary nandefa iraka hialoha azy i Jakôba, ho any amin’i Esao, rahalahiny, any amin’i Seira any an-tsahan’i Edôma


ary ny naterak’i Oolibama dia i Jehosy sy i Ihelôna ary i Kôre. Ireo no zanaka lahin’i Esao naterany tany amin’ny tany Kanaana.


I Javàna, i Tobala, Mosòka, nifampivarotra taminao, ain’olona sy fanaka varahina, no nanefany ny volanao aminy.


dia ny havozomamy, zava-manitra, menaka manitra, emboka manitra, divay, diloilo, lafarina tsara indrindra, varimbazaha, biby manompo, ondry, soavaly, kalesy, ary ny tena aman’ain’olona. -