Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 36:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nentin’i Hesao ireo vadiny sy ireo zanany lahy sy vavy ary ireo olona rehetra tao an-tranony, mbamin’ny biby fiompiny sy ny biby rehetra mpitondra ny entany; ary nentiny koa ireo fananana rehetra izay azony tao amin’ny tany Kanahàna, dia lasa nankany an-tany hafa izy mba ho lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary nentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy, ny zanany vavy ny olona rehetra teo an-tranony, ny biby fiompiny, ny bibiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra noharîny tany Kanaana, ka lasa izy nankany amin’ny tany anankiray lavitra an’i Jakôba rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Dia nentin’i Esao ny vadiny sy ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman-ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin’ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin’ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin’izay tany hialana eo anatrehan’i Jakoba rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia noentin’i Esao ny vadiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy, ny olona rehetra tao an-tranony, ny omby aman’ondriny sy ny biby fiompiny rehetra mbamin’ny fananany rehetra izay nohariny tany amin’ny tany Kanana ka lasa nankany amin’ny tany lavitra an’i Jakoba rahalahiny izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 36:6
10 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’i Abrama i Saray vadiny sy i Lôta zana-drahalahiny, ary nentiny ny harena rehetra voaangony mbamin’ireo mpanompo rehetra novidîny tao Haràna. Dia niainga izy ka nankany amin’ny tany Kanahàna. Dia tonga tany Kanahàna ry i Abrama mianakavy.


Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.


Noho ny hamaroan’ny olona sy ny biby fiompy, dia tsy ampy hitoeran’izy roa lahy miaraka ny tany satria mbola nonina tao koa ny Kanahanita sy ny Perizita. Koa nisy fifandirana teo amin’ny mpiandry biby fiompin’i Abrama sy ny an’i Lôta.


Homeko anao sy ny taranakao mandimby anao ny tany Kanahàna manontolo, dia izao tany ivahinianao izao, ho fananany mandrakizay; ary ho Andriamanitr’izy ireo Aho.


Fa namaly azy ny TOMPO hoe: Firenena roa no ao an-kibonao, vahoaka roa tonta no haterakao. Ny ankilany hahery noho ny andaniny, ny zokiny hanompo ny zandriny.


Homeny anao sy ny taranakao anie ny tsodrano nataony tamin’i Abrahama mba hahazoanao ny tany fivahinianao, dia ny tany izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama.


Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


ary i Ohôlibamà kosa niteraka an’i Jehîsa sy i Jahilama ary i Kôrà. Ireo no zanakalahy naterak’i Hesao tao amin’ny tany Kanahàna.


Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Mesèka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon’ny entanao.


havozomamy sy hodi-kazo manitra; ilomanitra sy miora ary vovo-javamanitra; divay sy diloilo; lafarinina tsara toto sy varimbazaha; omby sy ondry; soavaly sy kalesy; ary mpanompo sy babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra