Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 13:11 - Baiboly Katolika

11 Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Dia nifidy ny tany rehetra teo amoron’i Jordana i Lota ary niainga niantsinanana; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Koa nofidîn’i Lôta ho azy ny faritanin’i Jôrdàna ka nikisaka niantsinanana izy. Toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Dia nofidin’i Lota ho azy ny tany rehetra amoron’i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Dia nifidy ny tany rehetra teo amoron’i Jordana i Lota ary niainga niantsinanana; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 13:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.


I Abrama nonina tamin’i Kanaana, ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma.


Ary hoy i Iaveh tamin’i Abrama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: «Atopazo ny masonao ary eto amin’ity fitoerana misy anao ity dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana;


Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»


Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»


Sakaizan’izay rehetra matahotra Anao aho; mbamin’izay mitandrina ny didinao.


Ny olo-masina izay ety amin’ny tany, ireo malaza, dia tiako amin’ny foko rehetra».


Aza mahafoy ny sakaizanao aman-tsakaizan-drainao; ary aza miditra ny tranon’ny rahalahinao amin’ny andron’ny fahorianao: fa aleo namana akaiky toy izay havan-davitra.


Ny atsinanana: Hatramin’ny faritra mampisaraka an’i Haoràna sy i Damasa, dia eo anelanelan’i Galaada sy ny tanin’i Israely no alehan’ny faritra amin’ny tany dia i Jordany. Hatramin’ny sisin-tany avaratra, ka hatramin’ny ranomasina atsinanana no horefesinareo. Izany no lafiny atsinanana.


Aza manary ny fiangonantsika, toy ny fanaon’ny sasany; fa mifamporisiha tsara, indrindra izao, hitanareo fa efa antomotra ny andro.


Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra