Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.
Genesisy 34:8 - Baiboly Katolika Izao no nolazain’i Hemora tamin’izy ireo: «Raiki-pitia amin’ny zanaka vavinareo ny fon’i Sikema zanako; koa masìna ianareo, omeo azy ho vadiny.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nidinika tamin’ireo i Hamora hoe: I Sekema zanako lahy dia raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy; koa miangavy anareo aho, mba omeo azy ho vadiny izy. DIEM PROTESTANTA I Hamôra anefa dia nilaza tamin’izy ireo hoe: –Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy! Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Hamôra anefa dia nilaza tamin’izy ireo hoe: –Raiki-pitia amin-drazazavavy i Sekema zanako lahy. Koa mba omeo ho vadiny re izy! Baiboly Protestanta Malagasy Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon’i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin’ny zanakareo-vavy; koa masìna hianareo, mba omeo azy ho vadiny. Malagasy Bible Ary Hamora nidinika taminy ka nanao hoe: Ny fon'i Sekema zanakolahy efa raiki-pitia amin'ny zanakareo-vavy; koa masìna ianareo, mba omeo azy ho vadiny. La Bible en Malgache Ary nidinika tamin’ireo i Hamora hoe: I Sekema zanako lahy dia raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy; koa miangavy anareo aho, mba omeo azy ho vadiny izy. |
Raiki-pitia tamin’i Dinà, zanaka vavin’i Jakôba, ny fon’i Sikema, ka tia an-drazazavavy ary nanao teny malefaka taminy izy.
ary efa tonga avy any an-tsaha koa ny zanak’i Jakôba vao nandre izany zavatra izany; tafintohina mafy ireo lehilahy ireo ka nisafoaka mihitsy izy ireo, fa nanao izay fady indrindra i Sikema nanala baraka an’i Israely tamin’ny nandriany tamin’ny zanaka vavin’i Jakôba, ka zavatra tsy tokony hatao akory izany.
Aoka hifanambady anaka isika: «Ny zanaka vavinareo homenareo ho anay; ny anay kosa halainareo ho anareo.
ary amin’ireo firenena nilazan’ny Tompo tamin’ny zanak’i Israely hoe: «Ianareo tsy handeha amin’ireny, izy ireny tsy handeha aminareo, satria tsy maintsy havilin’ireny ny fonareo mankamin’ny andriamaniny», kanjo raiki-pitia tamin’ireo i Salômôna.
Ny fanahiko torotoron’ny faniriana izay mampitodika azy lalandava any amin’ny didinao.