Androtr’izay ihany dia navahany ny osy lahy sadika sy mara, ny osy vavy sadika sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin’ny zanak’ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tanan’ny zanany lahy.
Genesisy 34:5 - Baiboly Katolika Efa ren’i Jakôba ihany ny nandotoany an’i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin’ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan’ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo. DIEM PROTESTANTA Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ren’i Jakoba fa efa nandoto an’i Dina zanani-vavy izy; nefa ny zanani-lahy mbola niandry ny omby aman-ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany. Malagasy Bible Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany. La Bible en Malgache Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo. |
Androtr’izay ihany dia navahany ny osy lahy sadika sy mara, ny osy vavy sadika sy mara, izay rehetra misy fotsy, ary izay mainty rehetra tamin’ny zanak’ondry; ka ireny no natolony ho eo an-tanan’ny zanany lahy.
Dia valio hoe: ‹Biby fiompy no fanananay, izahay mpanomponao, hatramin’ny fahazazanay ka mandrak’ankehitriny; tahaka ny razanay koa.› Fa izany no hahazoanareo monina amin’ny tany Gesena, satria fahavetavetana amin’ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.»
I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.
Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna: «Efa voalazan’i Iaveh izany tamin’izy nanao hoe: Hohamasinina Aho ao amin’izay manakaiky Ahy, ary homem-boninahitra eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Sina i Aarôna.
Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahimatoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy,
Fa hoy ny navaliny an-drainy: Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako;
Ary hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Ireo ihany va no zatovolahy rehetra?» Dia hoy i Isaï: «Mbola misy ilay faralahy, ka indro fa miandry ondry izy.» Ka hoy i Samoela tamin’i Isaï: «Hampanalao izy, fa tsy hipetraka hihinana isika raha tsy efa tonga izy.»
ary i Davida kosa dia nivoivoy avy tany amin’i Saola hiandry ny ondrin-drainy any Betlehema.