Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 34:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ren’i Jakôba fa nolotoin’i Sekema i Dinà zanany vavy, kanefa tany an-tsaha niandry ny biby fiompy ireo zanany lahy, koa tsy nanao na inona na inona izy ambara-pahatongan’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Efa ren’i Jakôba ihany ny nandotoany an’i Dinà zanany vavy, nefa mbola tany an-tsaha tamin’ny biby fiompiny ny zanany lahy, ka dia nangina izy aloha mandra-pahatongan’ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ren’i Jakoba fa efa nandoto an’i Dina zanani-vavy izy; nefa ny zanani-lahy mbola niandry ny omby aman-ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ren'i Jakoba fa efa nandoto an'i Dina zananivavy izy; nefa ny zananilahy mbola niandry ny omby aman'ondriny tany an-tsaha; ka dia nangina aloha Jakoba mandra-pahatongany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 34:5
13 Rohy Ifampitohizana  

Ny androtr’iny ihany anefa dia efa navahan’i Labàna ka natolony ho eo am-pelatanan’ny zanany ireo osilahy sadìka sy sada sy ireo osivavy rehetra maramara sy sada ary ireo ondry vandambandana rehetra;


Dia hoy izy tamin’i Hamôra rainy: –Alaovy ho ahy iny zazavavy iny mba ho vadiko.


Niainga ho any amin’i Jakôba i Hamôra rain’i Sekema mba hiresaka aminy.


dia hovalianareo hoe: Olona mpiompy toy ireo razanay izahay mpanomponao, nanomboka hatramin’ny fahazazànay ka mandraka izao. Amin’izay dia hahazo mipetraka ao amin’ny faritr’i Gôsena ianareo, satria maharikoriko ny Ejiptianina ny mpiandry ondry rehetra.


Ary tsy nifampiteny intsony tamin’i Amnôna i Absalôma, satria halan’i Absalôma izy noho ny nanaovany an-keriny an’i Tamara anabaviny.


Afaho amin’izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakòran’ireo adala.


Dia hoy i Mosesy tamin’i Aharôna: –Efa voalazan’ny TOMPO izany, fony Izy nanao hoe: «Izay hanakaiky Ahy dia tiako hanaja ny fahamasinako, ary hanome voninahitra Ahy eo anatrehan’ny vahoaka rehetra.» Dia nanao hiram-pisaonana i Aharôna.


Sendra tany an-tsaha ilay zanany lahimatoa tamin’izay. Nony efa nody izy ka nanakaiky ny trano, dia nandre feon-java-maneno sy olona mandihy.


Fa hoy izy tamin-drainy: «Jereo ange! Taona firifiry moa izay no nanompoako anao ary tsy mbola nandika ny didinao na oviana na oviana aho; kanefa dia nofy izany hoe mba nomenao zanak’osy iray hiarahako mihinana sy mifaly amin’ny sakaizako.


Fa nisy kosa ireo olona ratsy fanahy izay nanao hoe: «Ahoana tsara? Io ve no mba hamonjy antsika?» Notebahin’ireo i Saoly ary tsy nitondrany fanomezana. Nefa tsy noraharahain’i Saoly akory izany.


Hoy indray i Samoela tamin’i Jisay: –Ireo avokoa ve izy mirahalahy avy? Ka novalian’i Jisay hoe: –Ny zandriny indrindra sisa no tsy eo, fa mbola miandry ondry izy. Fa hoy kosa i Samoela tamin’i Jisay: –Ampanalao izy, fa tsy hanomboka ny sorona isika raha tsy efa tonga eto izy.


dia lasa nanompo an’i Saoly ary niverina tsindraindray mikarakara ny ondrin-drainy, tany Betlehema.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra