Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.
Genesisy 30:9 - Baiboly Katolika Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io. DIEM PROTESTANTA Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa hitan’i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an’i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa. Malagasy Bible Ary rehefa hitan'i Lea fa efa nitsaha-jaza izy, dia naka an'i Zilpa ankizivaviny izy, ka nomeny ho vadin'i Jakoba koa. La Bible en Malgache Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io. |
Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.
Nanana anaka indray koa izy, dia tera-dahy ka nanao hoe: «Ankehitriny hidera an’i Iaveh aho. Izany no nanaovany ny anaran’io hoe Jodà.» Dia nitsaha-jaza izy.
Ary nihaino an’i Lià Andriamanitra ka nanana anaka izy, dia nitera-dahy fanindiminy tamin’i Jakôba;
ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.
Ireo no zanaka lahin’i Zelfah, ankizy vavy nomen’i Labàna an’i Lià, zanany vavy, ireo no naterany tamin’i Jakôba. Enina ambin’ny folo izy.