Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.
Genesisy 3:20 - Baiboly Katolika Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nataon-dRalehilahy hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. DIEM PROTESTANTA Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, izany hoe Aina, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ralehilahy nanao ny anaran’ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. Malagasy Bible Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra. La Bible en Malgache Ary nataon-dRalehilahy hoe Eva ny anaran’ny vadiny, satria izy no renin’ny olombelona rehetra. |
Hoy indray koa ny Anjelin’i Iaveh: «Indro manana anaka ianao, ka hiteraka zazalahy, ary homenao anarana hoe Ismaely, satria efa nohenoin’i Iaveh ny fahorianao.
Dia nomen-dralehilahy anarana avokoa ny biby fiompy rehetra, mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha, nefa tsy hitany izay ho mpanampy an-dralehilahy mitovy aminy.
Ary hoy ralehilahy: «Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko. Hantsoina hoe vehivavy izy, satria nalaina avy tamin’ny lehilahy.»
Nony efa hiala ny ainy, fa efa ho faty izy, dia nataony hoe i Benôni ny anarany, fa rainy kosa nanao azy hoe Benjamina.
nataony hoe Nôe no anarany, fa hoy izy: Ity no hanamaivana antsika amin’ny fahasasarantsika sy amin’ny asa tanana mahasasatra avy amin’ity tany efa voaozon’i Iaveh ity.
Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.
ary hiteraka Zazalahy izy, ka ny anarany hataonao hoe Jesoa, fa izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany.»
Indro ny Virjiny hitoe-jaza ka hiteraka Zazalahy, ary ny anarany hatao hoe Emanoela, izany hoe: «amintsika Andriamanitra.»
Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametra ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy,
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy, toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.