Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 28:5 - Baiboly Katolika

Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa nalefan’i Itsehàka ho any Mezôpôtamia ambony i Jakôba, ho any amin’i Labàna, zanakalahin’i Betoela izay aramianina sady anadahin’i Rebekà renin’i Hesao sy i Jakôba.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Isaka nampandeha an’i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia. ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’i Jakoba sy Esao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao.

Jereo ny toko



Genesisy 28:5
12 Rohy Ifampitohizana  

I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Izay vao nihinana sy nisotro izy mbamin’ireto olona nomba azy, ary dia nandry. Nony maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ity mpanompo nanao hoe: «Alefaso aho hiverina any amin’ny tompoko.»


i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.


Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,


Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.


Dia nanohy ny diany i Jakôba, ary nandeha ho any amin’ny tanin’ny zanaky ny Tatsinanana.


Nambaran’i Jakôba an-dRasela fa rahalahin’ny rainy zana-dRebekà izy; ka nihazakazaka i Rasela nanambara izany tamin-drainy.


Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»


Ary i Jakôba tonga tany amin’i Isaaka rainy, tany Mambre, any Kiriat- Arba; dia i Hebrôna izany, izay nitoeran’i Abrahama sy i Isaaka.


I Arama nifampivarotra taminao, ny amin’ny habetsahan’ny vokatrao; vatosoa, jaky, amborodao, rongony madinika, voahangy sy robisy no nanefany ny volanao aminy.


Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.


Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.