Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Genesisy 28:17 - Baiboly Katolika Dia raiki-tahotra izy, ka nanohy hoe: «Endrey mahatahotra ity fitoerana ity! Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra, eto no vavahadin’ny lanitra!» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia raiki-tahotra izy ka niteny hoe: Endre, mahatahotra ity toerana ity! Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra! DIEM PROTESTANTA Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary natahotra izy ka nanao hoe: –Tena mahatahotra ity toerana ity, izay tsy hafa fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra. Baiboly Protestanta Malagasy Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fioetrana ity! tsy hafa ity, fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra. Malagasy Bible Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra. La Bible en Malgache Dia raiki-tahotra izy ka niteny hoe: Endre, mahatahotra ity toerana ity! Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra! |
Nifoha maraina koa izy, dia nalainy ilay vato nataony ondana, naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangam-bato ity, ary haloako ho Anao ny ampahafolon’izay rehetra homenao ahy.»
Ka tsy afa-nijanona tao hanao ny fanompoana ireo mpisorona, noho ny rahona, fa nameno ny tranon’Andriamanitra ny voninahitr’i Iaveh.
Maneke ny fahefan’Andriamanitra! Ny fiandrianany ao amin’i Israely, ny fahefany eny amin’ny rahona.
Dia hoy Andriamanitra: «Aza manakaiky eto: esory ny kapa amin’ny tongotrao, fa tany masina io.»
Ary hoy koa izy: «Izaho no Andriamanitry ny rainao, Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.» Nosaronan’i Môizy ny tavany fa natahotra ny hijery an’Andriamanitra izy.
Aza haingam-bava foana, ary aoka ny fonao tsy ho maimay foana hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra: fa Andriamanitra any an-danitra, Ianao etỳ an-tany; ka aoka ho vitsy teny ianao.
Ary nisy Anjelin’ny Tompo nitsangana teo anilany, ary ny voninahitr’Andriamanitra nanelatrelatra manodidina azy ireo ka natahotra dia natahotra izy.
Dia nivoaka hizaha izany ny olona, ka nony tonga tany amin’i Jesoa izy ireo, dia nahita ity lehilahy nivoahan’ny demony nipetraka teo amin’ny tongony, sady nitafy no nody saina, ka raiki-tahotra,
satria amin’izay, raha tahiny tratra ela aho, dia misy hahafantaranao izay fitondran-tena tsy maintsy ataonao ao amin’ny ankohonan’Andriamanitra, dia ny Eglizin’Andriamanitra velona, izay andry sy fiorenan’ny marina.
Fa indro tonga ny andro hiantombohan’ny fitsarana amin’ny fianakavian’Andriamanitra, ka raha miantomboka amintsika izany, hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy mino ny Evanjelin’Andriamanitra?
Vao nahita Azy aho, dia nitsingidina teo an-tongony toy ny maty; fa nanendry ahy tamin’ny tanany havanana Izy, ka nanao hoe: «Aza matahotra; izaho no Voalohany sy Farany ary Velona;