Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 27:43 - Baiboly Katolika

Noho izany, anaka, henoy aho: Miaingà ianao ary mandosira any amin’i Labàna anadahiko, any Haràna,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa ankehitriny, anaka, henoy tsara aho! Mandehana mandositra any amin’ny anadahiko any Haràna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miaingà ka mandosira ho any Harana, dia any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ankehitriny, anaka, araho ny teniko; miainga ka mandosira ho any Harana, dia any amin'i Labana anadahiko.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko.

Jereo ny toko



Genesisy 27:43
14 Rohy Ifampitohizana  

Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.


Nanana anadahy anankiray atao hoe Labàna i Rebekà, ka nivoaka nihazakazaka i Labàna nankeo amin-dralehilahy teo amin’ny loharano.


i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.


Hoy reniny taminy: «Aoka hihatra amiko ny fanozonana anao, anaka. Fa araho ihany ny teniko: mandehana, angalao zanak’osy roa aho.»


Nolazain’olona tamin-dRebekà izany tenin’i Esao zanany lahy matoa izany, ka nampanalainy i Jakôba zanany lahy aivo, dia hoy izy taminy: «Indro i Esao rahalahinao mikasa hamaly faty anao, ka hamono anao.


Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’izay nasaiko ataonao:


Dia niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.


Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.


«Aza maka vady amin’ny zanaka vavin’i Kanaana, ary nanaiky ny tenin-dray aman-dreniny i Jakôba ka lasa nankany Padan-Arama.»


Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakôba: «Andeha ianao miakatra an’i Betela ka monena any, manangàna ôtely any, ho an’ilay Andriamanitra niseho taminao, fony ianao nandositra teo anoloan’i Esao, rahalahinao.»


Ny maso maniratsira ny ray, sy maneso ny fanoavan-dreny, dia hogorobahin’ny goaika eny an-dohasahan-driaka, sy hohanin’ny zana-boromahery.


Voatandrina ny tenin’i Jônadaba zana-dRekaba; norarany tsy hisotro divay ny zanany, dia tsy nisotro izy ireo noho ny fanekeny ny didin-drainy, mandraka androany; ary izaho niteny taminareo koa, niteny hatramin’ny vao maraina aza, nefa tsy nihaino Ahy ianareo!


Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe: «Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.