Genesisy 25:2 - Baiboly Katolika Ka izao no naterak’io taminy: i Zamràna, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaka ary i Soe. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy dia niteraka an’i Zimrana, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha tamin’i Abrahama. DIEM PROTESTANTA Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niteraka enin-dahy tamin’i Abrahama izy, dia ireto avy izany: i Zimràna sy i Jôksàna, i Medàna sy i Midiàna ary i Jisbàka sy i Soa. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niteraka an’i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin’i Abrahama izy. Malagasy Bible Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy. La Bible en Malgache Izy dia niteraka an’i Zimrana, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha tamin’i Abrahama. |
I Jeksàna niteraka an’i Sabà sy i Dadàna; ny zanaka lahin’i Dadàna dia ny Asorima, ny Latosima, ny Laomima;
Maty i Hosama, ary nanjaka nandimby azy i Adada, zanak’i Badada, ilay nandresy an’i Madianina, tany amin’ny tanin’i Moaba; ary Avita no anaran’ny tanànany.
Ka nony nandalo ireo mpandranto Madianita, dia nesoriny sy nakariny hiala tao an-davaka i Josefa, dia namidiny roapolo farantsa volafotsy tamin’ny Ismaelita, ka nentin’ireo nankany Ejipta.
Namidin’ny Madianita tany Ejipta i Josefa tamin’i Potifara, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina.
Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.
Nony nandre ny loza rehetra nanjò an’i Jôba ireo sakaizany telo lahy: i Elifaza avy any Temàna, i Baldada avy any Sohe, ary i Sôfara avy any Naamà, dia samy niainga avy any amin’ny fonenany avy, ka niara-nidinika izay handehanana hitsapa alahelo sy hampionona azy.
ny mpanjaka rehetra any Zambrì, ny mpanjaka rehetra any Elama, mbamin’ny mpanjaka rehetra any Media;
Hoy i Moaba tamin’ny loholon’i Madiàna: «Holevonin’ity vahoaka be ity, toy ny fandevon’ny omby ny zava-maitso any an-tsaha, izay rehetra manodidina antsika.» I Balàka, zanak’i Sefôra no mpanjakan’i Moaba tamin’izay.
«Valio amin’ny Madianìta ny nataony tamin’ny zanak’i Israely: rehefa afaka izany dia hangonina any amin’ny razanao ianao.»
Afa-tsy izay maty an’ady dia novonoiny koa ny mpanjakan’i Madiàna: i Evỳ, i Rekema, i Sora, i Hora, ary i Reba, mpanjakan’i Madiàna dimy lahy. Novonoiny tamin’ny sabatra koa i Balaama zanak’i Beôra.