Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.
Genesisy 25:19 - Baiboly Katolika Izao no tantaran’i Isaaka zanak’i Abrahama: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto no taranak’Isaka, zanakalahin’i Abrahama: DIEM PROTESTANTA Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no tantaran’i Itsehàka: I Itsehàka dia zanakalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy ARY izao no taranak’Isaka, zanakalahin’i Abrahama: Malagasy Bible Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama: La Bible en Malgache Ireto no taranak’Isaka, zanakalahin’i Abrahama: |
Ary ny anaran’ilay zaza teraka taminy, naterak’i Sarà taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaaka.
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Zanaka lahin’i Setorà, vaditsindranon’i Abrahama: ny naterany dia i Zamrama, i Jeksàna, i Madàna, i Madiàna, i Jesbaoka, ary i Soe. Zanak’i Jeksàna: i Sabà sy i Dadàna.
i Abrahama niteraka an’i Isaaka; i Isaaka niteraka an’i Jakôba; i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
Dia nomeny fanekena amin’ny famorana i Abrahama, ka nony niteraka an’i Isaaka dia namora azy tamin’ny andro fahavalo; i Isaaka kosa niteraka sy namora an’i Jakôba, ary i Jakôba namora an’ireo Patriarka roa ambin’ny folo lahy.»