Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 25:11 - Baiboly Katolika

Nony maty i Abrahama, nasian’Andriamanitra soa i Isaaka zanany; ary tao akaikin’ny fantsakana «Lakai-Rôy» i Isaaka no nonina

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Taorianan’ny nahafatesan’i Abrahama dia notahin’Andriamanitra Isaka zanany. Ary nonina teo akaikin’i Bera-Lahay-Roỳ Isaka.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Taorian’ny nahafatesan’i Abrahama, dia notahîn’Andriamanitra i Itsehàka zanany, izay nonina tao akaikin’ny fantsakana Lahay-Rôy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin’Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin’i Bera-lahai-roy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Taorianan’ny nahafatesan’i Abrahama dia notahin’Andriamanitra Isaka zanany. Ary nonina teo akaikin’i Bera-Lahay-Roỳ Isaka.

Jereo ny toko



Genesisy 25:11
11 Rohy Ifampitohizana  

Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.


Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»


Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.


Hoy Andriamanitra: «Eny, hitera-dahy ho anao i Sarà vadinao; hataonao hoe Isaaka no anarany; ary hanao fanekem-pihavanana aminy Aho, dia fanekena mandrakizay ho an’ny taranany hanaraka azy.


dia hanisy soa anao Aho, hahamaro ny taranakao tahaka ny kintana eny an-danitra sy ny fasika eny amoron-dranomasina, ary ny taranakao hahazo ny vavahadin’ny fahavalony.


Ny tompoko efa nasian’i Iaveh soa be indrindra, ka efa tonga olona be fahefana izy; fa nomeny ondry sy omby, ary mpanompo lahy sy mpanompo vavy, ary rameva aman’ampondra.


Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kai-Rôy ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.


Ary i Isaaka namafy tamin’izany ka nahavokatra avo zato heny izy tamin’io taona io.


Dia eto amin’ity tany ity mitoetra; fa homba anao Aho, sy hanisy soa anao; homeko anao sy ny taranakao ireto tany rehetra ireto, fa hotanterahiko ny fianianana nataoko tamin’i Abrahama rainao.


Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»


Hahery ambonin’ny tany ny taranany; hambinina ny taranaky ny marina.