Afaka amin’ny fianianana nataonao ianao rehefa tonga tany amin’ny havako; ary raha tsy manaiky ny fangatahanao izy ireo dia afaka amin’ny fianianana ampanaoviko ianao.›
Genesisy 24:8 - Baiboly Katolika Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao; fa aza entinao mankany ny zanako.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary raha tsy mety manaraka anao Ravehivavy dia afaka amin’izao fampianianako anao izao ianao. Fa izao ihany: Aza entinao miverina any mihitsy ny zanako. DIEM PROTESTANTA Raha tsy manaiky hanaraka anao ilay razazavavy, dia afaka amin’izao fianianana izao ianao; fa ny zanako kosa aza entinao miverina any. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Raha tsy manaiky hanaraka anao ilay razazavavy, dia afaka amin’izao fianianana izao ianao; fa ny zanako kosa aza entinao miverina any. Baiboly Protestanta Malagasy Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin’izao fampianianako anao izao hianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako. Malagasy Bible Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin'izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako La Bible en Malgache Ary raha tsy mety manaraka anao Ravehivavy dia afaka amin’izao fampianianako anao izao ianao. Fa izao ihany: Aza entinao miverina any mihitsy ny zanako. |
Afaka amin’ny fianianana nataonao ianao rehefa tonga tany amin’ny havako; ary raha tsy manaiky ny fangatahanao izy ireo dia afaka amin’ny fianianana ampanaoviko ianao.›
ary ren-drainy ny voady amam-pamehezan-tena nataony, nefa tsy niteniteny taminy ny rainy, dia ho raikitra ny voady rehetra nataony sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
ary ren’ny lahy izany, nefa tsy miteniteny aminy momba izany izy: amin’ny andro andrenesany an’izany, dia manan-kery ny voadiny sy ny famehezan-tena namehezany ny tenany.
Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,
Fa izao no hanaovantsika azy: Havelantsika ho velona ihany izy, mba tsy hitarika ny fahatezeran’i Iaveh amintsika noho ny fianianana efa nataonay taminy.»