Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 24:67 - Baiboly Katolika

Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia nampandrosoin’i Itsehàka tao an-dain’i Sarà reniny i Rebekà, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an’i Itsehàka izany taorian’ny nahafatesan-dreniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain'i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nampandroso an’i Rebeka ho ao an-dain’i Saraha reniny Isaka ka nampakatra azy ho vadiny. Tia azy izy ka nionona ny alahelony ny reniny.

Jereo ny toko



Genesisy 24:67
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe:


Koa noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany. Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.


Ary i Abrahama nampaka-bady, Setorà no anarany.


i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.


Ary i Jakôba tia an-dRasela ka nanao hoe: «Hanompo anao fito taona aho, mba hahazoako an-dRasela zanakao vavy aivo.»


Tonga nampionona azy avokoa ny zanany lahy aman-janany vavy rehetra; nefa tsy nety nionona izy, fa hoy izy: «Hidina misaona ho any amin’ny zanako any amin’ny fonenan’ny maty aho.» Ary nitomany azy, ity rainy.


Nony ela dia maty ilay zanakavavin’i Soe, vadin’i Jodà. Ary rehefa afa-tsaona i Jodà, dia niakatra tany amin’ireo nanety ny ondriny, any Tamnà, izy sy i Hirà, Odolamita sakaizany.


Hitondra anao hiditra ao an-tranon’i neny aho, dia hampianatra ahy ianao; ary hampisotro anao divay voaharo zava-manitra, dia ny ranon’ny ampongabendanitra.


Ary tsy tianay ny tsy hahafantaranareo ny amin’izay efa nody mandry, sao dia malahelo toy ny sasany tsy manam-panantenana koa ianareo.


Ka izao no lazainay aminareo, araka ny tenin’ny Tompo: Isika izay velona sy tavela ho amin’ny fiavin’ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nody mandry tsy akory;