Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.
Genesisy 24:49 - Baiboly Katolika Koa ankehitriny, raha mba hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; ary raha tsy izany kosa ambarao ahy ihany, mba hiviliako ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa ankehitriny, lazao amiko raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia. DIEM PROTESTANTA Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho. Baiboly Protestanta Malagasy Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia. Malagasy Bible Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia. La Bible en Malgache Koa ankehitriny, lazao amiko raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia. |
Kely tsinontsinona aho, ka tsy mendrika ny fahasoavana amam-pahamarinana rehetra nataonao tamin’ny mpanomponao, fa ny tehiko ihany no tatỳ amiko nony nita ity Jordany ity aho; nefa indro efa tonga antokon’olona roa aho ankehitriny.
Nony efa akaiky ny fara andron’i Israely dia nampaka an’i Josefa zanany izy, nanao taminy hoe: «Raha mba nahita fitia teo imasonao koa aho masìna ianao, ataovy ato ambany feko ny tananao, ataovy amiko amin-kazavam-po sy fahamarinana izao: aza alevina aty Ejipta aho,
Aoka tsy hiala aminao ny famindram-po amam-pahamarinana, fa ataovy fehivozona izany ary sokiro ao amin’ny latabatry ny fonao.
Koa mihanta aminao, mba avelao izahay hamaky ny taninao, fa tsy handeha hamaky ny saha izahay, na ny tanimboaloboka, ary tsy hisotro ny rano amin’ny fantsakana; hizotra amin’ny lalan’andriana izahay fa tsy hivily ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia, mandra-pahafakay ny faritaninao.»
Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny lalam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.
Dia hoy izy roa lahy taminy: «Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rehefa omen’i Iaveh anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao.»