Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:49 - DIEM PROTESTANTA

49 Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

49 Koa ankehitriny, lazao amiko raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

49 Koa ankehitriny lazao ahy raha vonona haneho fitia sy firaiketam-po amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa dia handeha ho any an-kafa aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

49 Koa ankehitriny, raha mba hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; ary raha tsy izany kosa ambarao ahy ihany, mba hiviliako ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko hianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

49 Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin'ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

49 Koa ankehitriny, lazao amiko raha hanao izay soa sy marina amin’ny tompoko ianareo. Fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:49
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary nivavaka i Jakôba nanao hoe: –Ry Andriamanitr’i Abrahama raibeko sy Andriamanitr’i Itsehàka raiko ô, Ianao Ilay TOMPO efa nilaza tamiko hoe: «Miverena any amin’ny taninao sy ny fianakavianao, dia hanisy soa anao Aho.»


Ary rehefa akaiky ny andro hahafatesan’i Jakôba, dia niantso an’i Jôsefa zanany izy ka nanao taminy hoe: –Raha tia ahy ianao, dia asehoy amiko ny fitiavanao sy ny toetranao mahafatra-po, aza alevina aty Ejipta aho. Mianiàna amiko ianao, ka ataovy ato ambany feko ny tananao.


Aoka tsy hialanao mihitsy ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; kajio toa firavaka fiambozonanao izany, ary soraty ao am-ponao toy ny amin’ny vatofisaka.


Koa mba avelao re izahay handeha hamaky eo amin’ny taninao. Tsy hamaky any amin’ny saha na ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro amin’ny ranom-pantsakana; fa iny arabe migodana iny ihany no hizoranay ka tsy hivilivily hiankavia na hiankavanana izahay mandra-pahafakay ny faritry ny taninao.


«Aoka mba hamaky ny taninao izahay; ny lalambe ihany no halehanay ka tsy hivilivily ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia izahay.


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Raha tàhiny tsy ambaranao olona izao fandalovanay mpisafo tany izao, dia hamindra fo sy hanao izay hitsiny aminao izahay, rehefa homen’ny TOMPO anay ity tany ity. Raha tsy izany no ataonay aminareo mianakavy, dia aoka ny ainay no ho faty hisolo ny anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra