Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 24:50 - Baiboly Katolika

50 Dia namaly i Labàna sy i Batoela ka nanao hoe: «Avy amin’i Iaveh izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

50 Dia namaly i Labana sy i Betoela hoe: Avy tamin’NY TOMPO no nisehoan’izany zavatra izany ka tsy mahazo milaza na inona na inona aminao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

50 Dia namaly i Labàna sy i Betoela hoe: –Avy amin’ny TOMPO no niavian’izao zavatra izao ka tsy azonay iadian-kevitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

50 Dia namaly i Labàna sy i Betoela hoe: –Avy amin’ny TOMPO no niavian’izao zavatra izao ka tsy azonay iadian-kevitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’i Jehovah no nisehoan’izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

50 Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin'i Jehovah no nisehoan'izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

50 Dia namaly i Labana sy i Betoela hoe: Avy tamin’NY TOMPO no nisehoan’izany zavatra izany ka tsy mahazo milaza na inona na inona aminao izahay.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 24:50
15 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.


Dia lasa nihazakazaka razazavavy, nanambara izany zavatra izany tao amin-drainy.


Indro i Rebekà eo anatrehanao, ento izy ka mandehana, ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka ny voalazan’i Iaveh.»


Ary navoakany ny firavaka volafotsy sy firavaka volamena, mbamin’ny fitafiana, ka nomeny an-dRebekà; sady notolorany fanomezana sarobidy koa ity anadahiny sy ny reniny.


Fa hoy ny anadahin-dRebekà sy ny reniny: «Aoka re mba hipetrapetraka eto aminay andro vitsivitsy aloha ny zazavavy, hafoloana eo ho eo, vao mandeha.»


Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»


Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»


Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko ny Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: ‹Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.›


I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.


Koa dia tsy nihaino ny vahoaka àry ny mpanjaka; ary izany no fomba nalahatr’i Iaveh, hahatanterahan’ilay nolazain’i Iaveh tamin’i Jerôbôama, zanak’i Nabata, tamin’ny alalan’i Ahiasa avy ao Silao.


Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny zanak’i Israely, rahalahinareo. Samia mody any an-tranonareo avy ianareo, fa dia Izaho no nahatongavan’izao zavatra izao.» Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka samy nody, nanaraka ny tenin’i Iaveh.


Asa vitan’i Iaveh izany, ka zava-mahagaga eo imasontsika.


Dia hoy i Jesoa taminy: Tsy mba novakinareo va ny Soratra Masina hoe: Ny vato narian’ny mpanao trano no efa tonga vato fehizoro ; avy tamin’ny Tompo izany, ka mahagaga eo imasontsika?


avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika.»


Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo, iza moa aho no ho afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra