Genesisy 23:18 - Baiboly Katolika dia tapaka ho fananan’i Abrahama eo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia natao varo-maty tamin’i Abrahama ho fananany, teo imason’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany. DIEM PROTESTANTA tamin’i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon’izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin’ny tanàna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara tamin’i Abrahama mba ho fananany. Vavolombelon’izany ny Hetita rehetra tonga nivory teo am-bavahadin’ny tanàna. Baiboly Protestanta Malagasy tamin’i Abrahama ho fananana, teo imason’ny taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany. Malagasy Bible tamini'i Abrahama ho fananana, teo imason'ny taranak'i Heta, dia izay rehetra niditra teo ambavahadin'ny tanànany. La Bible en Malgache dia natao varo-maty tamin’i Abrahama ho fananany, teo imason’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany. |
Ary i Efrôna nipetraka teo afovoan’ny zanak’i Heta. I Efrôna Heteanina namaly an’i Abrahama teo anatrehan’ny zanak’i Heta, dia izay rehetra miditra ny vavahadin’ny tanànany; hoy izy taminy:
Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà, tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
Nalevin’i Isaaka sy i Ismaely zanany izy, tao amin’ny zohy any Makpelà, amin’ny sahan’i Efrôna, zanak’i Seôra Heteanina, tandrifin’i Mambre,
Dia nankeo am-bavahadin’ny tanàna i Hemora sy i Sikema zanany, ka niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany nanao hoe:
Neken’izay rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna ny tenin’i Hemora sy i Sikema zanany, ka dia noforàna ny lehilahy rehetra mivoaka ny vavahadin’ny tanàna.
Dia natolotro an’i Baròka, zanak’i Nerià, zanak’i Maasiasa, ny fanekem-pividianana, teo anatrehan’i Hananeela, zana-drahalahin-draiko, sy teo anatrehan’ny vavolombelona nanao sonia ny fanekem-pihavanana sy teo anatrehan’ny Jody rehetra, nipetraka teo an-kianjan’ny fiambenana.
Niakatra teo am-bavahadin’ny tanàna i Booza ka nipetraka tao. Ary ity tamy handalo eo ilay anankiray mahazo manavotra voalazan’i Booza, ka hoy izy taminy: «O Ranona irỳ ô, mijanòna kely, mipetraha eto.» Dia nijanona ilay lehilahy sady nipetraka.