I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
Genesisy 22:23 - Baiboly Katolika I Batoela no rain-dRebekà. Izy valo lahy ireo no naterak’i Melkà tamin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. DIEM PROTESTANTA Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izy valo lahy no naterak’i Milkà tamin’i Nahôra rahalahin’i Abrahama. I Betoela no rain’i Rebekà. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. Malagasy Bible Ary Betoela niteraka an-dRebeka. Ireo valo ireo no naterak'i Milka tamin'i Nahora, rahalahin'i Abrahama. La Bible en Malgache Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama. |
I Abrama sy i Nakôra samy naka vady avy; ka ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nakôra dia Melkà, zanak’i Aràna, rain’i Melkà sy rain’i Jeskà.
Ilay vaditsindranony atao hoe Ramà koa dia niteraka an’i Tabea sy i Gahama, ary i Toasy sy i Maakà.
Tsy mbola tapitra akory ny teniny, dia indro tamy nitondra ny sininy teo an-tsorony i Rebekà, zanaka vavin’i Batoela zanak’i Melkà vadin’i Nakôra rahalahin’i Abrahama.
Dia hoy ny navaliny: «Zanakavavin’i Batoela zanak’i Melkà, izay naterany tamin’i Nakôra aho.»
Dia nanontany azy aho, nanao hoe: ‹Zanak’iza moa ianao?› Ary novaliany hoe: ‹Zanak’i Batoela, zanaka lahin’i Nakôra, izay naterak’i Melkà taminy, aho.› Izay dia nasiako kavina ny orony, ary nasiako haba ny tanany.
Indro i Rebekà eo anatrehanao, ento izy ka mandehana, ary aoka ho vadin’ny zanaky ny tomponao izy, araka ny voalazan’i Iaveh.»
Nitso-drano an-dRebekà izy, ka nanao taminy hoe: «Ho tonga alinalina anie ianao, ranabavy! Ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony anie ny taranakao!»
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny, sady nampakariny ho vady. Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
i Abrahama niteraka an’i Isaaka. Ary efa efapolo taona i Isaaka vao nampakatra an-dRebekà, zanak’i Batoela Arameanina any Padan-Arama, sy anabavin’i Labàna Arameanina.
Fa miaingà ianao, mankanesa any Padan-Arama, any amin’i Batoela, rain-dreninao, ka any maka vady, amin’ireo zanaka vavin’i Labàna, anadahin-dreninao.
Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.
Ary tsy i Sarà ihany, fa toy izany koa i Rebekà, ilay nanan-janaka roa tamin’ny lehilahy iray, dia i Isaaka raintsika: