Genesisy 21:30 - Baiboly Katolika Hoy ny navaliny: «Horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo mba ho vavolombelona ho ahy fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy ny navaliny: Mba horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io. DIEM PROTESTANTA Dia namaly i Abrahama hoe: –Mba ekeo avy amin’ny tanako ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nandavaka ilay fantsakana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly i Abrahama hoe: –Mba ekeo avy amin’ny tanako ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nandavaka ilay fantsakana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin’ny tànako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io. Malagasy Bible Ary hoy izy: Mba horaisinao avy amin'ny tanako ireo ondrivavy kely fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho nihady io lavaka fantsakana io. La Bible en Malgache Hoy ny navaliny: Mba horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io. |
Nototofan’ny Filistinina nofenoiny tany avokoa ny lavaka fantsakana nohadin’ny mpanompon-drainy, fony fahavelon’i Abrahama rainy.
Ary ny lavaka fantsakana voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy izay nototofan’ny Filistinina nony maty i Abrahama dia nohadin’i Isaaka indray, ka nasiany anarana araka ny anarana nomen-drainy azy ihany.
Ity fanataovana ity no vavolombelona ary ity tsangam-bato ity no vavolombelona fa izaho tsy hihoatra any aminao, any ambadik’ity fanataovana ity; ianao tsy hihoatra aty amiko, aty ambadik’ity fanataovana ity, sy ity tsangam-bato ity, hanisy ratsy.
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.»