Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 21:19 - Baiboly Katolika

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Agara, nahita lavaka fantsakana izy, ary nofenoiny rano tao ny siny hoditra, dia nampisotroiny ny zaza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara ka nahita lavaka fantsakana izy; lasa nankeo izy, nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia nataon’Andriamanitra nahiratra ny mason’i Hagara, ka nahatazana lavaka fantsakana. Dia lasa izy nameno rano ny siny hoditra ary nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nataon’Andriamanitra nahiratra ny mason’i Hagara, ka nahatazana lavaka fantsakana. Dia lasa izy nameno rano ny siny hoditra ary nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara ka nahita lavaka fantsakana izy; lasa nankeo izy, nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.

Jereo ny toko



Genesisy 21:19
6 Rohy Ifampitohizana  

Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.


Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.


Nosokafan’i Iaveh ny mason’i Balaama, dia hitan’i Balaama ilay Anjelin’i Iaveh izay teo an-dalana teo, sady nitana sabatra voatsoaka teny an-tanany, ka niondrika sy niankohoka tamin’ny tany izy.