Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
Genesisy 20:16 - Baiboly Katolika Ary hoy koa izy tamin’i Sarà: «Nomeko volafotsy arivo sikla ny anadahinao, izany no fanampena-maso ho anao, amin’izay rehetra eo aminao sy amin’ny olona rehetra, ka dia afa-tsiny ianao izao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekela volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho tampi-maso noho ny aminao izany, dia amin’izay rehetra miaraka aminao ka hahazo rariny eo anatrehan’ny olona rehetra ianao. DIEM PROTESTANTA Hoy kosa izy tamin’i Sarà: –Hitanao fa nomeko volafotsy arivo ny anadahinao mba ho tampi-maso amin’izay rehetra havanao fa tsy manantsiny ianao amin’izao raharaha izao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hoy kosa izy tamin’i Sarà: –Hitanao fa nomeko volafotsy arivo ny anadahinao mba ho tampi-maso amin’izay rehetra havanao fa tsy manantsiny ianao amin’izao raharaha izao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny hianao ny amin’izany rehetra izany. Malagasy Bible Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin'izany rehetra izany. La Bible en Malgache Ary hoy kosa izy tamin’i Saraha: Indro, efa nomeko sekela volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho tampi-maso noho ny aminao izany, dia amin’izay rehetra miaraka aminao ka hahazo rariny eo anatrehan’ny olona rehetra ianao. |
Ary nifona tamin’Andriamanitra i Abrahama dia nositranin’Andriamanitra i Abimeleka sy ny vadiny ama-mpanompovaviny, ka niteraka ireo.
Moa tsy nolazainy tamiko hoe: Anabaviko io? Ary ravehivavy koa nilaza tamiko hoe: Anadahiko izy. Ary fo mahitsy sy tanana madio no nanaovako izany.»
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe: «Iza irỳ lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika irỳ?» Dia hoy ilay mpanompo: «Ny tompoko iny.»
Dia nomen’i Abimeleka teny ny vahoakany rehetra, nataony hoe: «Izay mikasika io lehilahy io na ny vadiny dia vonoina ho faty.»
Toy ny kavim-bolamena amam-piravaka volamena tsara, ny olon-kendry mananatra olona manan-tsofina mihaino tsara.
Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: «Inona ity ataonao no matory foana? Mitsangàna antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika».