Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Genesisy 19:21 - Baiboly Katolika Dia hoy izy taminy: «Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy Izy taminy: Indro, ekeko koa ny fangatahanao ny amin’izany zavatra izany ka tsy horavako io vohitra voalazanao io. DIEM PROTESTANTA Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: –Eny àry, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanàna izay voalazanao. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ka hoy ilay anjely anankiray hoe: –Eny àry, fa efa nekeko koa ny fangatahanao ka tsy hokasihiko ny tanàna izay voalazanao. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa hianao tamin’izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. Malagasy Bible Ary hoy izy taminy: Indro, efa nekeko koa ianao tamin'izany zavatra izany, ka tsy horavako io vohitra nolazainao io. La Bible en Malgache Dia hoy Izy taminy: Indro, ekeko koa ny fangatahanao ny amin’izany zavatra izany ka tsy horavako io vohitra voalazanao io. |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao ka hovonoinao koa ve ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao?
Jereo fa misy tanàna akaiky hialofako itsy, sady tanàna kely foana, ka aoka re mba ho ao aho no handositra, fa kely rahateo io, dia ho velona aho.»
Fa mandehana faingana àry mandositra ao fa tsy afa-manao na inona na inona aho, raha tsy efa tonga ao ianao.» Izany no nanaovana ny anaran’io tanàna io hoe Segôra.
Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahina va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy manapaka azy kosa ianao.»
Manatanteraka ny fanirian’izay matahotra Azy Izy, mihaino ny fitarainany sy mamonjy azy.
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko ianao, sady fantatro amin’ny anaranao ianao.»
Izao no lazain’i Iaveh ny amin’ity vahoaka ity: «Eny, ny hiverenany atsỳ arỳ no tiany, ka tsy mahatana ny tongony izy. Tsy nankasitraka azy intsony i Iaveh; dia indro ho tsaroany amin’izao ny helony ary hovaliany ny fahotany.»
tsy hanapaka ny volotara vaky Izy, na hamono ny lahin-jiro manetona ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy.»
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
Ary noraisin’i Davida teny an-tanan’i Abigaila ny zavatra nateriny ho azy, ka hoy izy taminy: «Miakara amim-piadanana ho any an-tranonao, jereo fa nihaino ny feonao ary nampahazo toky ny tavanao aho».