Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 33:17 - Baiboly Katolika

17 Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Hataoko indray koa izao zavatra angatahinao izao, satria efa nahita fitia teo imasoko ianao, sady fantatro amin’ny anaranao ianao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hataoko koa izao zavatra nolazainao izao; fa mahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao amin’ny anaranao Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

17 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Hotanterahiko na dia izay vao nolazainao teo aza. Nahazo fanambinana teo imasoko manko ianao sady efa fantatro mihitsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko hianao, ary mahalala anao tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao zavatra nolazainao izao dia hataoko koa; fa nahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao tokoa Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Hataoko koa izao zavatra nolazainao izao; fa mahita fitia eo imasoko ianao, ary mahalala anao amin’ny anaranao Aho.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 33:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoy i Abrahama: «Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao.» Dia hoy Izy: «Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo.»


ary efa naneho hatsaram-po lehibe tamin’ny mpanomponao ianao, tamin’ny namelomanao ny aiko; nefa tsy afa-mandositra any an-tendrombohitra aho, fa atahorako mihitsy ny ho tratry ny fandravana, ka ho faty.


Dia hoy izy taminy: «Eny àry, ekeko ihany koa ny fangatahanao tsy handrava io tanàna lazainao io.


I Nôe kosa anefa dia nahita fitia teo imason’i Iaveh.


Ary hoy i Môizy tamin’i Iaveh: «Ianao milaza amiko hoe: Ento miakatra ity vahoaka ity, kanefa izay hirahinao hiaraka amiko mbola tsy lazainao amiko. Nilaza anefa Ianao nanao hoe: Fantatro amin’ny anaranao ianao, efa nahita fitia eo imasoko ianao;


Homeko anao ny rakitra miafina, sy ny harena voalevona, mba hahafantaranao fa Izaho no Iaveh, Andriamanitr’i Israely, izay niantso anao tamin’ny anaranao.


Alohan’ny hiantsoany dia hamaly aho; mbola hiteny izy, dia efa ekeko ny teniny.


Amin’izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona intsony ianareo. Lazaiko marina dia marina aminareo fa na inona na inona hangatahinareo amin’ny Ray, dia homeny anareo amin’ny Anarako.


Satria tsiravina aho nahita ity hatezerana amam-pahavinirana nirehetan’i Iaveh taminareo, ka efa saika hataony levona ianareo, saingy mbola nihaino ahy indray i Iaveh tamin’izay.


Koa mifampieke fahotana ianareo; ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo; fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra