Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 15:16 - Baiboly Katolika

Ary izy ireo kosa rehefa mby amin’ny taranaka fahefatra dia hiverina aty; fa hatramin’izao dia mbola tsy feno mitafotafo ny faharatsian’ny Amôreana.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Amin’ny taranakao fahefatra vao hiverina eto izy ireo, satria mandraka androany dia tsy mbola feno ny heloky ny Amôrita handroahako azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa raha mby amin’ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao.

Jereo ny toko



Genesisy 15:16
18 Rohy Ifampitohizana  

ary koa ny Jeboseanina, ny Amôreana, ny Jerijeseanina,


Hoy i Iaveh tamin’i Abrama: «Aoka ho fantatrao tsara fa ho vahiny any amin’ny tany tsy azy ny taranakao, hanompo olona izy any, ary hampahorina mandritra ny efajato taona.


Ary hoy i Israely tamin’i Josefa: «Indro aho efa ho faty. Kanefa Andriamanitra homba anareo ka hampody anareo ho any amin’ny tanindrazanareo indray.


Ary hoy i Josefa tamin’ireo rahalahiny: «Izaho ity ho faty; nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa sy hampiakatra anareo avy amin’ity tany ity ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.»


Nanao toe-pitondran-tena vetaveta indrindra izy tamin’ny nandehanany amin’ny sampy, araka ny fomba rehetra fanaon’ny Amôreana, izay noroahin’i Iaveh teo anoloan’ny zanak’i Israely.


«Noho i Manase mpanjakan’i Jodà nanao izany fahavetavetana izany, sy noho izy nanao zava-dratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ny Amôreana teo alohany, ary noho izy nampanota an’i Jodà tamin’ny sampiny,


Ka nentiny nivoaka tamin-kafaliana ny vahoakany; ary tamin’ny hobim-pifaliana ny olom-boafidiny.


«Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;


Dia hoy i Môizy tamin’ny vahoaka: «Tsarovinareo ny andro nivoahanareo tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana, fa tamin’ny herin’ny tanany no namoahan’i Iaveh anareo tany. Tsy hatao ny mihina-mofo misy lalivay.


Izao andro ivoahanareo izao dia volam-pahavokaram-bary.


Aza mandoto tena amin’ireo zavatra ireo, na dia iray aza, fa tamin’ireo no nandoto tena ny firenena horoahiko eo anoloanareo.


Rehefa roahin’i Iaveh Andriamanitrao eo anoloanao ireny, aza manao anakam-po hoe: Noho ny fahamarinako no nitondran’i Iaveh ahy haka ity tany ity hananako azy; noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh azy eo anoloanao.


Tsy noho ny fahamarinanao na ny hitsim-ponao no andehananao haka ny taniny ho fanananao, fa noho ny haratsian’ireo firenena ireo no handroahan’i Iaveh Andriamanitrao azy eo anoloanao, ary koa mba hahatanterahan’ny teny efa nianianan’i Iaveh tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanao.


ary mandrara anay tsy hitory amin’ny Jentily hahazoanay famonjena, hany ka mihafeno hatrany hatrany ny lanjan’ny fahotany; sady efa tsy anerany loatra ny fahatezeran’Andriamanitra aminy.