Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 14:7 - Baiboly Katolika

Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.

Jereo ny toko



Genesisy 14:7
19 Rohy Ifampitohizana  

Izany no niantsoan’ny olona io fantsakana io hoe fantsakan’i Lakai- Rôy. Ao anelanelan’i Kadesy sy i Barada izy io.


Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.


I Tamnà, vaditsindranon’i Elifaza zanak’i Esao, niteraka an’i Amaleka tamin’i Elifaza. Ireo no zanaka lahin’i Adà, vadin’i Esao.


i Kôre loham-pirenena, i Gathama loham-pirenena, i Amaleka loham-pirenena. Ireo no loham-pirenena avy amin’i Elifaza amin’i Edôma. Zanak’i Adà ireo.


Ka nisy tonga nilaza tamin’i Jôsafata hoe: «Misy vahoaka be tamy hiady aminao, avy any an-dafin’ny ranomasina izy ireo, avy any Siria, ary efa mby ao Asasôna-Tamara, izany hoe Engadi izy izao.»


Hitsangana eo amoron’izany ranomasina izany ny mpaka hazandrano; hovelarana harato ny hatrany Engadi, ka hatrany Engalima; hisy hazandrano isan-karazany maro dia maro toy ny any amin’ny ranomasina lehibe.


Ny sisin-tany, amin’ny lafin’ny Negeba manolotra ny sisin-tanin’i Gada, dia hatrany Tamara no mankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesa, sy ny lohasahan-driaka mivarina amin’ny ranomasina lehibe, no ho faritry ny tany.


Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.


Eo anoloanareo eo ny Amalesita sy ny Kananeanina, ka ho lavon’ny sabatra ianareo, satria nivily tsy hanaraka an’i Iaveh ianareo, ka tsy homba anareo i Iaveh.»


ka nirotsahan’ny Amalesita sy ny Kananeanina izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy, dia nasiany sy nataony lambam-bary hatrany Hormà.


Tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany, ny zanak’i Israely, dia ny fiangonana manontolo, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Fa ny hany teo akaikin’ny Fiara, dia ny Levita sy Hebrio sasantsasany ihany.


Dia nahita an’i Amaleka i Balaama ka nilaza ny lahateniny nanao hoe: «I Amaleka no voalohany amin’ny firenena, Fa ho lany ringana no hiafarany.»


«Nony niala tany Horeba isika, dia namaky ilay efitra malalaka sy mahatsiravina hitanareo nankany amin’ny tendrombohitry ny Amôreana, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo antsika, ka tonga tany Kadesa-Barne.


Nitoetra ela be tao Kadesa ianareo, dia izay fotoana nijanonanareo tao.


i Nebsana, i Ir-Hamelàka ary i En-Gadi: tanàna enina sy ny zana-bohiny.