Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 14:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Avy eo dia niverina ho any Haîna-Mispata na hoe Kadesy izy ireo, ka namely izay rehetra teny an-tsahan’ny Hamalekita mbamin’ireo Amôrita izay nonina tao Hatsetsôna-Tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Raha izany dia lasa nody izy ireo, ka tonga teo am-pantsakan’i Fitsarana, dia i Kadesa izany, ka namely ny tanin’ny Amalesita rehetra mbamin’ny Amôreana izay nonina tany Asasôn-Tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an'ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 14:7
19 Rohy Ifampitohizana  

Izany no niantsoana ilay fantsakana teo anelanelan’i Kadesy sy i Bareda hoe fantsakan’i Lahay-Rôy na fantsakan’Ilay Velona mahita ahy.


Niala teo i Abrahama nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina tao anelanelan’i Kadesy sy i Soro, ary nivahiny tao Gerara.


I Timnà vadikelin’i Elifaza dia niteraka an’i Hamalèka taminy koa. Ireo no zafikelin’i Hesao sy i Hadà vadiny.


i Kôra sy i Gahetama ary i Hamalèka; tao amin’ny faritr’i Edôma ireo ary zafikelin’i Hadà.


Ary nisy olona tonga nanambara tamin’i Jôsafata hoe: –Indreo misy tafika goavana avy any atsinanan’ny Ranomasina Maty sy avy any amin’ny faritr’i Edôma ho tonga hiady aminao; ary indreo izy ao Hatsetsôna-Tamara, izany hoe Haîna-Gedỳ.


Ary manomboka eo Haîna-Gedỳ ka hatrany Haîna-Heglaima, dia hisy mpanarato hanahy ny haratony eny amoron’io ranomasina io. Fa hahitana trondro marobe isan-karazany ao tahaka ny any amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Ary mifanolotra amin’ny faritanin’i Gada kosa dia ny sisin-tany atsimo, hanomboka ao Tamara any atsinanana, dia hankany amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy ary hanaraka ny ranon-driakan’i Ejipta hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Nankeo amin’i Mosesy sy i Aharôna ary ny Fiangonan’ny Israelita rehetra tao an-taniefitr’i Paràna any Kadesy izy ireo, ka nanao tatitra tamin’ny besinimaro ary nampiseho azy ny vokatry ny tany.


Eo anoloanareo ny Hamalekita sy ny Kanahanita, ka ho fatin’ny sabany ianareo. Efa niodina tamin’ny TOMPO ianareo, ka tsy homba anareo IZY.


Nidinan’ny Hamalekita sy ny Kanahanita izay nonina tamin’izany tendrombohitra izany izy ireo ka notafihiny ary nenjehiny hatrany Hôrmà.


Tonga tao amin’ny taniefitr’i Tsina ny fiangonan’i Israely iray manontolo tamin’ny volana voalohany; ary nijanona tao Kadesy ny vahoaka. Tao no nahafatesan’i Miriama sady nandevenana azy.


Nahita ny Hamalekita i Balahama ka nanonona izao teny izao: «Ny Hamalekita no lohalaharana amin’ny hafa firenena rehetra; fa ho lany ringana no hiafaràny.»


Dia niala tany Hôreba isika, araka ny nandidian’ny TOMPO Andriamanitsika; ary nandeha isika namaky ilay taniefitra midadasika sy mahatahotra, izay hitanareo teny an-dalana mankany amin’ny faritra havoana onenan’ny Amôrita. Rehefa mby tao Kadesy-Barnea isika,


Ary nitoetra ela tao Kadesy-Barnea ianareo, araka izay fotoana tokony ho nitoeranareo tao.


i Nibsana, ilay tanàna mpamokatra sira, ary i Haîna-Gedỳ; izany hoe tanàna enina miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra