Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 14:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia niroso ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra sy ny mpanjakan’i Admà sy ny mpanjakan’i Tsebôima ary ny mpanjakan’i Bela na hoe Tsôhara, ka nandahatra ny tafiny hiady tamin’ireo tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Tamin’izay no nivoahan’ny, mpanjakan’i Sôdôma, ny mpanjakan’i Gômôra, ny mpanjakan’i Adamà, ny mpanjakan’i Sebôima ary ny mpanjakan’i Balà, dia i Segôra izany, nilahatra tao an-dohasahan’i Sidima hiady tamin’ireo,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Dia nivoaka ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora sy ny mpanjakan’i Adma sy ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin’ireo teo an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Dia nivoaka ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora sy ny mpanjakan'i Adma sy ny mpanjakan'i Zeboima ary ny mpanjakan'i Bela (dia Zoara izany) ka nilahatra hiady amin'ireo teo an-dohasahan'i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 14:8
8 Rohy Ifampitohizana  

ka ny faritaniny dia nanomboka hatreo Tsidôna mihazo an’i Gerara ka hatrany Gazà, ary mankany Sôdôma sy Gômôra ary Admà sy Tsebôima ka hatrany Lesà.


Dia nitazana i Lôta ka nahatsinjo ny faritanin’i Jôrdàna manontolo. Talohan’ny nandravan’ny TOMPO an’i Sôdôma sy i Gômôra, izany faritany izany mandra-pahatonga any Tsôhara dia tahaka ny zaridainan’ny TOMPO, tahaka ny lohasahan’i Neily.


Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra.


izany hoe i Kedôrlahômera mpanjakan’i Helama, sy i Tidehala mpanjakan’i Gôima, sy i Amrafela mpanjakan’i Sinehara, ary i Ariôka mpanjakan’i Elasara; mpanjaka dimy mikatroka amin’ny efatra.


Indro eto misy tanàna kely akaiky azo andosirana tsara, ka avelao aho hialoka ao. Tsy zavatra bitika ve io angatahiko io, dia ho voavonjy ny aiko?


Mandehana faingana miery ao, satria tsy afaka hanao na inona na inona aho ambara-pahatonganao ao. Izany no antony niantsoana io tanàna io hoe Tsôhara.


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra