Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Genesisy 14:16 - Baiboly Katolika Nentiny nody daholo ny fananana; azony koa i Lôta rahalahiny, mbamin’ny fananany, sy ny vehivavy ary ny olona rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. DIEM PROTESTANTA Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tafaveriny avokoa ny harena rehetra nobaboina sy i Lôta zana-drahalahiny mbamin’ny fananany ary ireo vehivavy mbamin’ny olon-kafa rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. Malagasy Bible Ary nampody ny fananana rehetra izy, ary Lota rahalahiny sy ny fananany dia nampodiny koa mbamin'ny vehivavy sy ny vahoaka. La Bible en Malgache Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka. |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Vao ren’i Abrama fa hoe lasan-ko babo ny rahalahiny, dia nomaniny ny ankohonany mahatoky indrindra amin’ny ady, izay teraka tao an-tranony, valo ambin’ny folo sy telon-jato, ka nenjehiny hatrany Dana ireo mpanjaka ireo.
Dia niakatra handevina an-drainy i Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon’i Faraôna rehetra, ny loholona tao an-tranony, ny loholona rehetra tamin’ny tany Ejipta,
«Iza no nampiakatra avy any atsinanana an’ilay ifanenan’ny fahamarinana. ny diany? Iza no nanolotra azy an’ireo firenena, sy nampanaiky azy an’ireo mpanjaka? Mampanjary ny sabany ho vovoka Izy; ary ataony tonga sahala amin’ny akofa entin-drivotra ny tsipìkany.
ka nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Hanenjika izany jirika izany va aho? Hahatratra azy va aho?» Ary hoy ny navaliny: «Enjeho, fa hahatratra azy marina tokoa ianao sady hanafaka.»