Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Genesisy 14:10 - Baiboly Katolika Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra. DIEM PROTESTANTA Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nisy lava-drano betsaka nandrevo tao amin’ny lohasahan’i Sidima, ka rahefa nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy i Gômôra, dia nianjera tao ary ireo sisa kosa nandositra tany an-tendrombohitra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny lohasahan’i Sidima, dia be lavak’asfalta, ary nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. Malagasy Bible Ary ny lohasahan'i Sidima, dia be lavak'asfalta, ary nandositra ny mpanjakan'i Sodoma sy ny mpanjakan'i Gomora ka latsaka tao; ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra. La Bible en Malgache Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra. |
Dia nifampilaza izy nanao hoe: «Andeha isika hanao biriky, ka handoro azy amin’ny afo.» Dia biriky no nataony solom-bato, ary ditin-tany no nataony solon-tsimenitra.
Nofaohin-dry zareo avokoa ny fananana rehetra tao Sôdôma sy Gômôra, mbamin’ny hanina rehetra tao, dia nandeha izy.
Nony efa nandresy an’i Kodôrlahômôra sy ireo mpanjaka nomba azy i Abrama, ka nody, dia nivoaka ny mpanjakan’i Sôdôma hitsena azy tao an-dohasahan’i Save, dia ny lohasahan’ny mpanjaka izany.
Dia hoy ny mpanjakan’i Sôdôma tamin’i Abrama: «Omeo ahy ny olona fa ny fananana no ento ho anao.»
dia tamin’i Kodôrlahômôra mpanjakan’i Elama, i Tadala mpanjakan’i Gôima i Amrafeta mpanjakan’i Senaara, ary i Ariòka mpanjakan’i Elasara; efatra noho dimy ireo mpanjaka ireo.
Nony tafavoaka izy, dia hoy ny iray tamin’ireo Anjely: «Mandosira fa mihatra amin’ny ainao izao, ka aza miherika any ivohonao ary aza miato na aiza na aiza eny amin’ny tany lemaka; mandosira any an-tendrombohitra, fandrao maty ianao.»
Niakatra avy tao Segôra i Lôta, dia nitoetra tao an-tendrombohitra izy sy ny zanany roa vavy; fa natahotra ny hitoetra tao Segôra. Dia nipetraka tao amin’ny zohy anankiray izy sy ny zanany roa vavy.
Ataovy tahaka an’i Madiàna ireo, tahaka an’i Sisarà, mbamin’i Jabìna teo amin’ny ranon’i Sisôna.
Izay mandositra noho ny antso mampatahotra ho latsaka an-davaka, ary izay miakatra avy ao afovoan’ny longoa ho voan’ny fandrika. Fa ny vavahadin-drano ambony, mivoha; ary ny fanorenan’ny tany, mihozongozona.
Izay mandositra ny zava-mahatahotra azy, voan’ny fandrika; fa hataoko tonga aminy, dia amin’i Moaba, ny taona famangiana azy, - teny marin’i Iaveh. -
Nony tapitra matin’i Israely ny mponina rehetra tao Haia, na teny an-tsaha, na tany an’efitra nanenjehany azy, ka efa lavon’ny lelan-tsabatra daholo hatramin’ny farany indrindra, dia niverina tao an-tanàna indray i Israely rehetra ka novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra ny olona tao.